π‚πˆπ’π‚πŽ π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€

88 0
Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany avy ato anivon’ny CISCO Ambatondrazaka izay tarihin’ny Chef CISCO Andriamatoa Randa Andriamihaja ary nahitana ireo Chef ZAP, ireo talen-tsekoly avy amin’ ny fanjakana sy ireo tsy miankina ny Filohan’ny vaomieran’ny Fanabeazam-pirenena eo anivon’ny Antenimierampirenena Andriamatoa ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick , Solombavam-bahoaka voafidy tato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024.
Nampafantariny nandritra ny fihaonana ny andraikitra sahaniny amin’ny maha filohan’ny vaomiera azy ka anisan’izany ny fiarovana sy fiadiana ny tombotsoan’ireo mpanabe, notsindriany manokana kosa anefa fa tokony hanao ny asany ao anatin’ny fanajana ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana ny rehetra.
Nambarany ihany koa fa hijery manokana ireo sekoly tsy miankina ny tenany ary nisaotra azy ireo maneho hatrany ny firaisankina sy fiombonana.
Nararaotina nandritra ny fihaonana ihany koa moa ny fahampafantarana ny naoty izay navoakan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena manafoana ny fahandoavam-bola amin’ireo sekolim-panjakana rehetra ankoatran’ny karaman’ireo mpampianatra FRAM ary niara-nidinika ny amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny taom-pianarana 2024 – 2025.
πŸ“ Nangonin’i 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ 𝐀𝐑𝐀-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ πŒπ€ππ€π“πŽππ€ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ Β«Β ππ‘πŽπ‰π„π“ πƒπ‘πŽππ„β€

Posted by - mars 16, 2024 0
π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ 𝐀𝐑𝐀-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ πŒπ€ππ€π“πŽππ€ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ Β«Β ππ‘πŽπ‰π„π“ πƒπ‘πŽππ„β€ π…π€πŒπ€π“π’πˆπ€ππ€ π…π€ππ€π…πŽπƒπ˜ 𝐍𝐘 π“πŽππˆπŒ-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ π’π€π‘πŽ-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…