BELO SUR TSIRIBIHINA : MPIANATRA ROA INDRAY NISY NAKA AN-KERINY ALINA

351 0

πŸ“Œ Alina tokony tamin’ny 11 ora alina dia nitrangana fankana an-keriny tao amin’ny fokotany Tsaramandroso kaominina ambanivohitry Belo sur Tsiribihina ka zaza roa mianadahy 16 sy 13 taona mpianatra avy any ambanivohitra any Andrafineta fa mipetraka mianatra ao Belo sur Tsiribihina ireto nisy naka ankeriny ireto, olona telo no tonga tao amin’izy ireo ary nitady ireo zaza hoe aiza ny anaky ianona sady nanonona ny anaran’ireo ray amandren’ireo Zaza ireto olon-dratsy nilaza izy ireo fa haveriny eo ihany zaza roa ireo avy eo fa hiresahiny fotsiny ka tsy nisy taitra ireo mpifanila trano aminy fa samy namonjy fatoriana.

πŸ“Œ Nisy natsiaro anefa efa tokony tamin’ny iray maraina mbola tsy niverina izy mianadahy ka teo vao nanaitra ny olo-be teo an-toerana ary nilaza ny filohan’ny fokotany ka niantso ny polisy ary nanao ny fikafohana sy fanarahan_dia avy hatrany.

πŸ“Œ Hatreto dia mbola tsy misy mangirana izany fa efa tonga teny an_toerana ny OMC izay notarihin’ny lehiben’ny distrikan’ny Belo sur Tsiribihina efa manao fanadihadiana ihany koa ny eo anivon’ny zandary raha ny resaka nifanaovana taminy kaomandin’ny tobi-paritry ny zandary ao Belo sur Tsiribihina.

πŸ“Œ Manano sarotra ny fanarahan-dia hoy ny mpitandron’ny filaminana nohon’ny orana latsaka, ny fidain’ireo zaza ihany no ampiasain’ireo mpaka an-keriny hiantsona ny fianakavian’ireo Zaza ka mitaky vola 10 tapitr’isa ariary ireo mpaka an-keriny Lasibatry ny mpaka an-keriny ny mpianatra ao amin’ny distrikan’ny Belo sur Tsiribihina ka manao antso avo ireo mponina

πŸ†” Nangonin’i Ra Pa – Menabe

Related Post

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
ππˆπ…π€πŒππˆπ€π‘π€π‡π€ππ€ π“π‘π€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π“π€πŽππ€, ππˆπ…π€πŒππˆπ‘π€π‘π˜ π’πŽπ€ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€ππ€ π€ππƒπ‘π˜ π’π˜ π…πŽπ“πŽπ“π‘π€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€ππ€ π“π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ ππŽπ‘πˆππŽπ‘πˆπ“π€ππ˜ π…π€π‡π€π‘πŽπ€ Ny sabotsy…

PREFECTURE TOLIARA

Posted by - mars 20, 2024 0
πŸ’₯ Tonga hanamafy ny fiaraha miasa izay efa nisy nadritra ny 20 Taona ny Firenena Japone, amin’ny alalan’i ABE Koji…

𝗦𝗒𝗔𝗠𝗔𝗑𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔π—₯π—œπ—‘π—¬ : α΄α΄˜α΄€Ι΄α΄‡Ι΄α΄…α΄€α΄‹α΄€,ᴍᴘΙͺᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɒᴏɴʏ ary α΄α΄˜α΄€α΄α΄€α΄‹Κ ᴛʀᴀɴᴏ

Posted by - novembre 14, 2023 0
𝗦𝗒𝗔𝗠𝗔𝗑𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔π—₯π—œπ—‘π—¬ : α΄α΄˜α΄€Ι΄α΄‡Ι΄α΄…α΄€α΄‹α΄€,ᴍᴘΙͺᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɒᴏɴʏ ary α΄α΄˜α΄€α΄α΄€α΄‹Κ ᴛʀᴀɴᴏ   Lehilahy miisa 2 no voasambotra mahakasika ny raharaha fanendahana raha toa ka…