π€π“π‘πˆπŠ’𝐀𝐒𝐀 π‘π„π™πˆπŽππ€π‹π˜ πŒπŽπŒππ€π’𝐍𝐘 π“πŽπ„π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π€ππƒπ‘πŽ 2024/2025

428 0

Ho latsaka kokoa nohon’ny tokony ho izy ny rotsak’orana amin’ ny volana Novambra sy Desambra 2024 ary ny Janoary 2025, hisy andro maina lavalava ihany koa ny volana Desambra raha ny volana Martsa 2025 kosa vao hiakatra ny tahan’ny rotsakorana ka tokony mila mahay mitantana ny rano sy hamandoana ireo mpamboly.

Fantatra ireo nandritra ny atrik’asa rezionaly momba ny vinavinan’izay mety ho toetry ny andro amin’ity 2024 ity sy ny taoana 2025 izay natao tao amin’ny Hotel Zamameva Ambatondrazaka androany Alarobia 23 Oktobra 2024.

Ny avy amin’ny fitalevam-paritry ny fitanterana sy famantarana ny toetrandro moa no nikarakara ity atrik’asa ity ka nitarika izany ny talem-paritra Andriamatoa RAKOTOMANGA Landry izay nitondra teny fisaorana ireo tonga nandray anjara rehetra ary nilaza fa vinavina akampobeany ihany ireo rehetra ireo kenefa na izany aza mila miomana amin’ny mety ho fiantraikan’izany ihany ireo mpamboly.

πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty

Posted by - novembre 23, 2024 0
π“π«πšπ§π πšπ¦-𝐩𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐨𝐧𝐒𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 ππžπ­πšπ’π§π¨π¦π›π²: 𝐀𝐧𝐀𝐒𝐳𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐒𝐀𝐚 𝐀𝐚 𝟐 𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐲 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐲. Samy mbola mpianatra…