Asatagnamaro ho fisorohana ny fiakarany renirano Mahajilo an_tanana ao  Miandrivazo

281 0

Tsy mijanona amin’ny ady amin’ny asan-dahalo,izay efa fantatsika fa mbola voafehy ankehitriny raha ny ao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo ,ny andraikin’ny zandarimaria.Fa manampy koa ny  mpiara-belona amin’ny fisorohana ny loza voajanahary mety hitranga ka androany 20 febroary 2024 nanomboka tamin’ny 06 ora maraina ka hatratramin’ny 11 ora atoandro dia tsy nitsahatra nanao fanentanana manerana ny tanàna ny zandary izay tarihin’ny komandà komandin’ny vondrotobim-paritra  Miandrivazo mahakasika:

– ny fisorohana ny fitondraky ny reniranon’i Mahajilo ho an’ireo toerana iva(Tanandava,Antaninarenina,Ambaniandrefana,Antanifady fokotany Miandrivazo I)

-ny fanaovana asa tagnamaron’ny fefilohan’ny renirano Mahajilo izay tondraka be tatoato noho ny  rotsak’orana tsy nijanona nandritra ny andro maromaro,

-ny fitandroana ny fahadiovan’ny tanàna mba hisorohana ireo valan’aretina maro mety hitranga.

Isaorana daholo ny tsirairay izay nitondra ny anjara borikiny,fa indrindra ireo fokonolona ao amin’ny fokontany Miandrivazo I.


Nangonin’ny RA PA – MENABE

Related Post

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…