ARETINA ANDROBE: TSY MIFINDRA, AZO TSABOINA TSARA FA MILA FAHARETANA.

62 0
🔴2 isanjaton’ny mponina no voan’ny « épilepsie » na androbe/toratorana/aretim-borona eto Madagasikara raha 50 tapitrisa manerantany. Samy hafa ny antony mahatonga io aretina io fa ny fitiliana no ahitana ny antony saingy matetika mifandray amin’ny loto tafiditra any anaty atidoha izany ho antsika aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana raha vokatry ny dona na fahanterana kosa ho an’ireo any amin’ny tany mandroso.
🔴 Fahasimban’ny sela ao amin’ny ati-doha ny androbe , fiverimberenana fanintona amin’ny olona iray ka lasa aretina mitaiza; misy herinaratra mitranga tampoka ao anaty atidoha ka mahatonga ilay marary hanao fihetsika tsy fanahiniana toy ny fanintona ,mihikiaka, tsy mihetsika tampoka ,fianjerana amin’ny tany,…ka mandritra ny 55 segondra eo no itrangan’izany.
🔴 Mbola maro ireo hevi-diso sy tsaho miparitaka manodidina ity aretina ity raha tsy ilaza afa-tsy ny filazana azy ho asan-devoly sy famosaviana hany ka tsy misitraka fitsaboana araka ny tokony ho izy ireo olona tratrany.
🔴Maro ihany koa ireo mihevitra azy ho areti-mifindra ka lasa iharan’ny fanilihana ireo olona voany ary raha sendra mitranga ilay aretina dia itsoahan’ny fiarahamonina.
🔴Azo tsaboina tsara anefa ny androbe sady tsy mifindra velively ; misy ireo fanafody natao ifehezana azy ka raha vao miseho ireo fambara momba ity aretina ity dia tokony manantona mpitsabo.
🔴Mila manana faharetana kosa ny fitsaboana ity aretina ity satria maharitraritra ny fanarahana fitsaboana na dia efa tsy miseho intsony aza ilay aretina , mety ho 3 taona hatramin’ny 5 taona eo na mihoatra izay.
🔴 Andro manerantany ho an’ny aretina androbe omaly 10 febroary 2025 ka nisy ny famelabelaran-kevitra niresahana momba ity aretina ity teny amin’ny foiben-toeran’ny OJM Ambohidahy nokarakarain’ny REMAPSEN MADA, nanasana ny mpitsabo manam-pahaizana manokana momba ny androbe Dr Julien RAZAFIMAHEFA sy ny Dr Manitra RAKOTOARIVONY.
📝M.Elvina

Related Post

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …
× Inona no azo hanampiana anao?