ANTSIRANANA: MIVERINA TSIKELIKELY NY RANO TAORIAN’NY FAHATAPAHAN’NY RANO NANDRITRA NY TELO ANDRO .

200 0
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Talem-paritry ny Rano sy Fanadiovana ary Fidiovana ato amin’ny Faritra DIANA, TOMBO Gyslain io maraina io.
Noho ny fahasimban’ny « Tuyau  » tao amin’ny bassin Besokatra , Joffre- ville, loharano mpamatsy rano an’ Antsiranana ka simba nandritra ny fandalovan’ny rivo- doza DIKELEDI no nahatonga ny Rano tapaka teto antampontananan’ Antsiranana hoy ny fanazavany ity farany .
Nisaotra ny Orinasa COLAS tamin’ny fifanomezan- tanana tamin’ny fanamboarana haingana ny simba satria tsy manana investissement na budget fanarenana ny simba ny Orinasa JIRAMA ka izany no mahatonga ny fahasimbana miverimberina isan- taona araka ny fanazavana.
Hisy ihany koa ny tetikasa izay hotanterahana mba hisoroana n’y tsy fampian’ny rano aty an- toerana , izay vatsian’ny Ministera vola , ka ny forage 6 no ho kasaina atao eto Antampontanan’Antsiranana : 1 ao amin’ny enceinté Université Antsiranana.
5 : ho an’ny fokontany Mangarivotra .
Marihina fa efa miverina tsikelikely ny rano Nanomboka androany ary hiverina tanteraka izany rahampitso 16 Janoary 2025 .
Tsara ihany koa no manamarika fa miverimberina ihany koa ny fahatapahan- jiro aty Antsiranana.
✍️ Sela Fanambarana.

Related Post

“𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲!” — 𝐓𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐚𝐬𝐢𝐛𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚

Posted by - octobre 5, 2025 0
𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : 𝗧𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲́ 𝗿𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘀𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝘀𝗲𝗵𝗼𝗻𝗮𝘆 ?? Tovovavy mpianatra iray eny amin’ny…