π Vanim-potoana fiakaran’ny voankazo izao ary manankarena voankazo i Vakinakaratra Sahanivotry Tsarahonenana no tena sompotry ny paoma kanefa indrisy fa sahirana ireo tantsaha ny amin’ny fampiakarana ny vokatra mihazo ny renivohitra.
π Ratsy ny lalana ka vitsy dia vitsy ny fiara afaka mitatitra ny vokatra any antoerana ; hany ka irony bisikileta irony no hitantera azy ety andrenivohitra Β Β» Tsy mahazaka firy izahay fa zara raha misy 50kg isaky ny mitondraΒ Β» hoy ireo tantsaha andeha hivarotra ety andrenivohitra raha nanontanianay kanefa dia 800ar monja ny 1 kilao hakan’ireo mpamongady any an-toerana. Lalana manodidina ny 35km kanefa dia atao dia 1 andro sy 1 alina. Mba jereo manokana izahay hoy hatrany izy ireo naneho ny hetahetany fa tena mijaly.
π Raha eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana kosa hoy hatrany izy ireo dia mbola azo lazaina milamindamina aloha hatreto.