Ny sabotsy lasa teo,dia nisafidy ny nitsidika sy nitondra fanampiana ho an’ireo Séminaristes ao amin’ny Grand Seminaire Analamalotra izy,ho fanombohana ny taom-piasany ho an’ity taona 2024 ity.
« Ny tanjona tamin’ity asa sôsialy izay nataon’ny Antoko Hiarak’Isika ity ,dia ho fampahatsiahivana ny rehetra fa mana-ndanja ny asa fanompoana an’Andriamanitra ka omena lanja manokana ireo Tanora nanokan-tena amin’izany,izay mampitombo fahalalana ao amin’ny Grand Seminaire. »
Hoy i Atoa Tovoniaiko ARNAULT, Mpitarika ny Antoko Hiarak’isika aty amin’ny Faritra Atsinanana.
Vary,voamaina,menaka,ary savony no natolotra ho azy ireo.
Vita ny BAC eo amin’ny reniranon’i Mahajilo mampitohy ny renivohitrin’ny distrikan’i Miandrivazo sy ireo kaominina valo (08) izay nitoka-monina nandritra…