ANOSIBE | FAHATAM-PAHAN-JIRO LAVARENY : RAIKITRA NY DORO KODIARANA HO FANEHOANA HATEZERA

168 0
Anosibe, Antananarivo — Tsy voafehy intsony ny hatezeran’ny mponina manoloana ny fahatapahan-jiro lavareny izay namely an’i Antananarivo sy faritra maro manerana an’i Nosy. Tao Anosibe, indrindra manoloana ny tsena Anosibe, dia nivadika ho hetsika an-dalambe sy fanehoan-kevitra feno fahatezerana izany tamin’ity hariva ity, « Alahady 15 Jona 2025. »
Nobahanan’ny vahoaka ny arabe, raikitra ny tsoka kiririoka, ary nandoro kodiarana teny an-dalana izy ireo, ho fanehoana am-pahibemaso ny fahasosorany. Tsy nitsitsy teny izy ireo raha nikiakiaka mafy hoe: “JIRAMA! JIRAMA! AVERENO NY JIRONAY!!”
Hatramin’ny ora nanoratana ity lahatsoratra ity, dia tsy mbola nisy mpitandro filaminana na fepetra hentitra noraisina hanalefahana ny toe-draharaha. Nihamafy izany raha jerena ny fahasorenan’ny mponina miaina ao anaty haizina sy fahatapahan-drano, izay miteraka fikorontanana amin’ny asa fivelomana sy ny fiainana andavanandro.
“Nisahotaka izahay, niverimberina niverina an-dalana satria tsy afaka nandroso intsony ny fiara,” hoy ny mpamily fiarakaretsaka iray izay nanatri-maso ny zava-nitranga.
Fehiny, miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka andavan’andro ny Jiro sy rano ka tokony tsy ataon’ny Mpitondra ambanin-javatra ny fijerena izany olana izany, zava-dehibe tokony ho laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny famahana an’ity olana maharitra sy miverimberina ity.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟱 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…