Ankazoabo Sud | FANAMAFISANA NY LAMINA EFA NISY EO AMIN’NY PAIKADY FANDRINDRANA FAHANDRIAM-PAHALEMANA

294 0
Ho tohin’ny mahazatra dia notanterahana androany faha 09 jolay 2024 tao amin’ny efitrano malalaky ny birao tobim-paritra Ankazoabo sud ny fivoriana fanamafisana ny fandriam-pahalemana, izay notarihin’ny Kapiteny RANDRIANANDRANDRAINA Leonson Erny, commandant Compagnie G.N Ankazoabo Sud tamin’ireo fokontany miisa 03 izay ao anatin’ny kaominina Fotovolo:
-Fokontany Ambatomainty
-Fokontany Amberomena
-Fokontany Andranoteraky.
♟️Nifototra tamin’ny fampianarana sy fanentanana ny fotoana niarahana tamin’ireo Voromahery 🦅 isan-tanana.
♟️Nisy iany koa toromarika izay mifandraika amin’ny filaminana indrindra ny fiarovana ny tanana.
🎉Resy lahatra tanteraka izy ireo nandritra izany ary naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-misalahy amin’ny fampandriana ny fahalemana maharitra.
🆘 Mitovy amin’ny fahasalamana lehireo gny fahandriampahalema, tsy afaky magnatanteraky asa andavandro raha tsisy azy. Tsy aleo Salama toy izay harary, aza mandoto rano hiketreha fa antsika avao ro voan’io fa tsy olo hafa
Loharanom-baovao :Cie GN Ankazoabo Sud 
Nangonin’i Bevomaso

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…