ANDRONA MIVOATRA MANDRITSARA – MIJORO HANOME SEHATRA IVELOMAN’NY MPIKAMBANA

439 0

📌 Manao ezaka lehibe hanomezana vahana ireo mpikambana ao aminy, ny Fikambanana Androna Mivoatra izay mijoro ao Mandritsara efa 10 taona. Misy ny fanetsiketsehana « redynamisation » ny mpikambana ny amin`ny hanomezana sehatra amin’ny alalan’ny tosika momba ny fihariana ataon`ny mpikambana tsirairay. Satria tarigetra ny hananan’ny mpikambana fihariana mahavelona.

📌 Noho izany, hamafisina ny fametrahana tetikasa momba ny fitsaboana, fanananganana fotodrafitrasa madinika ary ny fampiofanana amin’ny karazan’asa maro ; tsy hanana olana amin’ny fananganana orinasa entina ameloman-tena ho an’ny mpikambana no laharam-pahamehana ifotoran’ny Fikambanana. Misy araka izany ny tetikasa atsangan’ny AMI amin’ny alalan’ny sehatra voalaza ireo mandray anjara mivantana amin`izany ny mpikambana. Ho afaka hanangana orinasany manokana ireo mpikambana aoriana any. Ohatra amin’izany ny fanodinana akora fototra avy amin’ny vokatra misy aty ifotony. Avy hatrany hampiofana tantsaha anivon’ny kaominina momba ny fambolena sakay ny fikambanana. Efa vonona ny teknisianina, raha ny nambaran’ny Mpandrindra ao anatin’ny birao mitarika ny fikambanana AMI, Randriamoadana Sylvain androany alakamisy 01 febroary tamin’ny tafa natao tamin’ny Mpanao Gazety, fotoana izay namphafantarana ny vina iantsorohan’ny AMI tao amin’ny foibeny Ambohipo Mandritsara.

📌 Hanangana rantsamangaika eran’ny kaominina 29 ato Androna ny fikambanana entina anatanterahana tanjona nofinofisin’ ny fiambanana izay. Mitotaly 10 hatreto ny kaominina efa nananganana ny rantsamangaikan’ny fikambanana. Ho tratrarina ny hampitomboana ny mpisitraka tombontsoa ireo, misy rahateo ny Mpamatsy ara-bola anatanterahana ireo tetikasa izay iarahana amin’ny filoha mpanorina, Aurélien Randrianjafy.

🆔 Nangonin’i Uni Razafy

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…