Notanterahana teto Amboasary Atsimo ny fifaninana hazakazaka am-bisikileta izay mirefy 150 km ka nahitana teratany Malagasy sy vahiny anjara.
Fantatra fa tanora maro avy any Ambovombe Androy sy Fort-Dauphin no saika nandray anjara taminโity fifaninana ity, araka ny voalazanโireo tomponโandraikitra nanontaniana dia natao indrindra izao hetsika izao hentina hanomana ny ยซ Festival de camรฉlรฉon ยป izay hotanterahina eto Amboasary ny faha 13,14, 15 ny volana Jona 2025 ho avy izao.
Tiana ny mampahafantatra fa izao fifaninana izao no tanteraka dia teo ny fanampiana sy tohana avy aminโireo Solombavambahoakanโi Madagagasikara mirahalahy izay voafity taty an-toerana dia ny Dรฉputรฉ RAKOTONIRINA Richard Joseph sy ny Dรฉputรฉ ANDRIAMAMONJY Olivier, velom-pisaorana azy ireo ny Mpandray anjara manontolo satria tena ilainโny tanora ny hetsika aram-panatanjahan-tena tahaka izao, mba hialana aminโny fidorohana zava-mahadomelina andaniny, fa ho fampiharana ny fahaiza-manao ny tanora kosa ankilany.
Raha naneho ny heviny ireto Solombavambahoaka ireto taminโny fandraisana ny fitenenana nataonโizy ireo dia nilaza tsy nihambatra fa Santatra ambava-rano ihany ity hetika ity fa ho maro ny hetsika aram-panatanjahan-tena hatao, ary tsy hijanona aminโny fanatanjahan-tena ihany ny tohana kasaina hatao, fa ezahina hiitatra hatrany aminโny Hay ara-java-kanto ihany koa, satria manan-karena Mpanakanto ity Faritra misy antsika ity, hoy ihany izy ireo nanohy ny teniny.
Tanjona dia ny hapandroso ny Distrika izay misy azy ireo aminโny lafiny rehetra.




