AKANY FANARENANA NY ZAZA NANIA AO MANDROSOA ANOSIALA

504 0

AKANY FANARENANA NY ZAZA NANIA AO MANDROSOA ANOSIALA : FENO 120 TAONA NY NANANGANANA AZY. NANATRIKA NY FANKALAZANA NY MINISITRY NY FITSARANA, ARY NANOLOTRA FAMPITAOVANA HO AN’NY AKANY.

📌 Talata faha-12 Desambra 2023, eto amin’ny akany fanarenana ny Zaza nania eto Mandrosoa Anjanamasina.
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, teto amin’ny Aumônerie FJKM ny fankalazana ny faha-120 taona nananganana azy. Nitarika izany ireo Ray aman-dReny aram-panahy avy amin’ny EKAR sy FJKM.
 
📌  Taorian’izay ny fandraisam-pitenenan’ireo Mpiandraikitra isan-tsokajiny ka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanotrona ny lanonana dia nanambara fa andraikitry ny Minisiteran’ny Fitsarana no manao ny fitaizana ny ankizy mandalo fanarenana eto, na ara-batana na ara-tsaina na aram-panahy. Goavana ny asan’ireo tompon’andraikitra satria Zaza nania no volavolaina ho olom-banona indray. Nanamafy anefa ny Minisitra fa mitohy ny fisitrahan’izy ireo ny zony ary nanafatra ny Mpanabe mba hanaja tanteraka ny zon’izy ireo, nananatra ny ankizy mba handray tsara ny fanabeazana ihany koa ny tenany mba ho lasa tombontsoa ho entina eny anivon’ny fiarahamonina izany, ary nanipy teny ho azy ireo mba hanaja ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fiarahamonina, rehefa mivoaka eto amin’ny Akany.
 
➡Ny taona 1903 no nanorenana ity akany ity, ary tany am-piandohana dia natao fandraisana ny zanaky ny voanjo, avy eo dia nitazomana ny Vehivavy nanefa sazy avy eny Antanimora, lasa toerana fitazomana ireo Mpitolona telo mirahalahy: Ravoahangy sy Raseta ary Rabemananjara , taorian’izay vao lasa akany fanabeazana ireo zazalahy nania.
 
➡Zaza miisa 78 no beazina eto amin’izao fotoana izao. Mizara roa izy ireo, dia ireo manana olona vokatry ny fandikan-dalana sy ireo tandindomin-doza eny anivon’ny fiarahamonina vokatry ny olana ara-tsosialy, izay miisa 31. 9 taona ny zandriny indrindra ary 18 taona ny zokiny indrindra. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny Mpitantana amin’ny fiahiana sy fampianarana azy ireo. Tao anatin’izay fankalazana ny tsingerintaona izao dia nisy ny fanatsarana noentin’ny Minisitra tamin’ny Fanarenana ireo efitrano fatoriana telo, nanome akanjo mitovy ho an’ny ankizy ihany koa ny tenany ary nanolotra fitaovanam-pamokarana, masomboly, fitaovam-pianarana ary tohana ara-tsakafo ho an’ny Akany.
 
Nosokafana ihany koa ny tsangam-bato fanamarihana ny fankalazana ny faha-120 taona.
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy
 

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…