π“π€ππ€πŒππ€πŽ 𝐕 – π€ππ“π’πˆπ‘π€ππ€ππ€ : π‹π„π‡πˆπ‹π€π‡π˜ ππˆπ“πŽππƒπ‘π€ π‘πŽππ†πŽππ˜ πŒπˆπ‹π€ππ‰π€ 𝟏𝟎 πŠπˆπ‹π€πŽ ππŽπ’π€πŒππŽπ‘πˆπβ€™ππ˜ ππŽπ‹πˆπ’πˆπŒππˆπ‘π„ππ„ππ€

26 0
π‘΄π’Šπ’•π’π’‰π’š π’π’š π’‚π’…π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’Šπ’‘π’‚π’“π’Šπ’•π’‚π’‰π’‚π’β€™π’π’š 𝒛𝒂𝒗𝒂-π’Žπ’‚π’‰π’‚π’…π’π’Žπ’†π’π’Šπ’π’‚
Ny alin’ny 13 Desambra 2025, nandritra ny fisafoana ara-pilaminana nataon’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Tanambao V, ao Antsiranana, no nahasarika ny sain’ny mpitandro ny filaminana ny fihetsika mampiahiahy nasehon’ny lehilahy iray nitondra harona.
Rehefa nasaina nijanonana sy nosavaina ny entana teny aminy, dia hita tao anatin’ilay harona ny rongony efa voafono tsara, milanja 10 kilao. Natao avy hatrany ny fisamborana, ary nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy ilay lehilahy hanaovana fanadihadiana lalina.
Taorian’ny fanadihadiana mialoha dia kasaina hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana izy, araka ny lalΓ na manan-kery. Manamarika indray izao tranga izao ny fahavononan’ny Polisim-pirenena hanohy tsy an-kiato ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ho fiarovana ny filaminam-bahoaka sy ny hoavin’ny tanora.
N𝐚n𝐠o𝐧i𝐧 ‘L𝐚y M𝐚h𝐒t𝐬y

Related Post

TOLIHO SAKARAHA |SAKARAHA

Posted by - juillet 13, 2024 0
Firaisankina no hoentina hampandroso ny Faritra na Distrika iray ary fifanomezantanana. Tsy solombavambahoaka izay nifidy ahy aho hoy RAPHAEL Jean…