๐ด๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐
๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐
๐๐๐๐๐๐๐
Ny alinโny 13 Desambra 2025, nandritra ny fisafoana ara-pilaminana nataonโny Polisim-pirenena miasa ao aminโny Kaomisaria Tanambao V, ao Antsiranana, no nahasarika ny sainโny mpitandro ny filaminana ny fihetsika mampiahiahy nasehonโny lehilahy iray nitondra harona.
Rehefa nasaina nijanonana sy nosavaina ny entana teny aminy, dia hita tao anatinโilay harona ny rongony efa voafono tsara, milanja 10 kilao. Natao avy hatrany ny fisamborana, ary nentina teny aminโny biraonโny Polisy ilay lehilahy hanaovana fanadihadiana lalina.
Taorianโny fanadihadiana mialoha dia kasaina hatolotra eny anivonโny Fampanoavana izy, araka ny lalร na manan-kery. Manamarika indray izao tranga izao ny fahavononanโny Polisim-pirenena hanohy tsy an-kiato ny ady aminโny fiparitahanโny zava-mahadomelina, ho fiarovana ny filaminam-bahoaka sy ny hoavinโny tanora.
N๐n๐ o๐งi๐ง ‘L๐y M๐h๐ขt๐ฌy




