Mpianatra avy amin’ny sampam-pampianarana Institut des Sciences et de Technique de l’environnement na ISTE no navoaka tamin’ny fomba ofisialy androany 12 Jiona 2024 tao amin’ny Kianjan’ny Serasera sy LMD , andiany MIRAY nanovo fianarana tao amin’ny sampam-piofanana Agronomie, Environnement, Technologie, Tourisme Management miisa 241 no nozaraina mari-pahaizana LICENCE.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny DAGR ny faritra Matsiatra Ambony izay misolon-tena ny Governoran’ny Faritra, Adjoint PrΓ©fecture, tale iraisam-paritra,ny solotenan’ny mpikambana ny filan-kevim-pitantana eto amin’ny oniversiten’ i Fianarantsoa.
Nitondra fisaorana ho an’ny mpitantana sy ny Tompon’andraikitry ny sekoly ny filohan’ny Oniversiten’ i Fianarantsoa Pr HAJALALAINA AimΓ© Richard tamin’ny ezaka fanatsarana ny kalitaom-pampianarana na dia tao ny fahasahiranana maro samy hafa, nitondra hafatra ho an’ny mpianatra koa ny hananana traik’efa satria ny fahalalana miaraka amin’ny traik’efa no mivadika ho fahombiazana