Tagnamaro, andron’ny olom-pirenana

171 0
« Tagnamaro, andron’ny olom-pirenana »
 
📌  Teny amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) sy ny Centre de formation profesionnelle (CFP) Ampasampito no nanaovana ny Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena androany sabotsy faha 17 febroary 2024 ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Nitarika izany teny an-toerana ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
 
📌  Nandray anjara mavitrika ny mpiara-miasa avy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, ary ireo mpianatra avy ao amin’ireo sekoly roa ireo.
 
📌  Efa ela no tsy nisy fanamboarana ny LTP sy ny CFP eny Ampasampito. Betsaka, arak’izany, ny asa tokony ho atao, izay tsy ho vita ao anatin’ny iray andro. Izany no nahatonga an-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, hanao antso amin’ny mpiara-miasa sy ireo mpianatra ary ny Ray aman-dReny hifanome tanana ho fanohizana ny asa.
 
📌  Hotohizana isaky ny asabotsy ny fanamboarana, mandra-pahavitan’ny asa izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny “Tagnamaro”
 
« Olo mahay raha tsy very mandeha »

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…