Morondava : Nozarainy fitaom-pidiovana ireo sekoly ho fisorohana ny valan-aretina conjonctivite bactΓ©rienne

255 0

πŸ“Œ  Ho fisorohana ny valan-aretina conjonctivite bactΓ©rienne izay areti-maso miparitaka tato ato dia nanao hetsika ny avy eo anivon’ny fitaleovam-paritry ny rano fidiovana sy fanadiovana ka nanao fanentanana sy nizara fitaom_pidiovana izay nahitana savony sy Gel main ary siny fasiana rano, tsy hanavahana hoy ny talem-paritry ny rano fidiovana sy fanadiovana Menabe na sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana izao hetsika izao fa ny sekoly rehetra no hanatanterahana izao hetsika izao ary tsy hijanona fa mitohy hatrany mba hisorohana ny areti-maso io tsy havoa ny mpianatra.

πŸ“Œ  Velom-pisaorana ny fitondrana foibe indrindra fa ny minisiteran’ny rano fidiovana sy fanadiovana ireo talen-tsekoly amin’izao hetsika nanirahina ny talem-paritry ny rano fidiovana sy fanadiovana hitsidika sy hanampy ny sekoly izao satria manampy azy ireo amin’ny fepetra raisina izao mahazo Gel main isaky ny efitra mbola misy fitaovana hanasana tanana miaraka amin’ny savony ihany koa, efa misy ny fepetra raisina raha tsy sendra sanatria misy mpianatra voan’ity aretina ity hoy ireo talen-tsekoly.

πŸ“Œ  Hatreto moa raha ny faritra Menabe dia mbola tranga iray no hita ary efa voafehy sy manaraka fitsaboana amin’izao

πŸ†” Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

π…π„π’π“πˆπ•π€π‹ 𝐈𝐎’𝐑𝐄𝐍𝐀𝐋𝐀 πƒπ€π˜π’

Posted by - dΓ©cembre 19, 2024 0
𝑯𝒐 π’•π’‚π’π’•π’†π’“π’‚π’‰π’Šπ’π’‚ π’π’š 20 π’”π’š 21 π’‚π’“π’š 22 π’…π’†π’„π’†π’Žπ’ƒπ’“π’† π’Šπ’›π’‚π’ π’π’š π‘­π’†π’”π’•π’Šπ’—π’‚π’ π’Šπ’’𝑹𝒆𝒏𝒂𝒍𝒂 π‘«π’‚π’šπ’” π’Šπ’›π’‚π’š 𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒆𝒕𝒐 𝑴𝒐𝒓𝒐𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂 ; π’‰π’†π’•π’”π’Šπ’Œπ’‚…

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…