๐…๐€๐๐€๐๐„๐€๐™๐€๐๐€ : ๐•๐€๐Ž๐•๐€๐Ž ๐Œ๐€๐‡๐€ ๐…๐€๐‹๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐„๐๐ ๐’๐˜ ๐‚๐„๐†

58 0
Fitaovam-pianarana, cantine scolaire ary sekoly vaovao. Mitohy ny ezaka fanohanana ny fanabeazana eny ifotony, ka anisanโ€™ny nisitraka izany ny EPP Manarintsoa sy EPP Ambatomirahavavy, ary ireo CEG Ambohibato sy Imerikanjaka.
Mpianatra 300 nahazo fitaovam-pianarana
Mpianatra 140 ao aminโ€™ny EPP Ambatomirahavavy sy 160 ao aminโ€™ny EPP Manarintsoa, izany hoe 300 mianatra no nahazo fitaovam-pianarana avy aminโ€™ny Association AHAD.
Fanohanana natao hanamorana ny fianaranโ€™ireo ankizy sy hanampiana ireo ray aman-dreny aminโ€™ny fiatrehana ny taom-pianarana izany.
Cantine scolaire indroa isan-kerinandro
Tsy mijanona aminโ€™ny fitaovam-pianarana ihany ny fanohanana.
Voalaza ihany koa fa hisy cantine scolaire indroa isan-kerinandro ho anโ€™ireo mpianatra ao aminโ€™ny EPP Ambatomirahavavy sy EPP Manarintsoa.
Mpianatra 300 no hisitraka izany sakafo an-tsekoly izany, izay vatsianโ€™ny Association AHAD.
CEG Ambohibato sy Imerikanjaka, misokatra ho anโ€™ny ankizy
Etsy ankilany, efa misokatra ihany koa ny CEG Ambohibato sy ny CEG Imerikanjaka, izay sekoly natsangana taminโ€™ny alalanโ€™ny fiaraha-mientanโ€™ny vondrom-piarahamonina.
Efa misy ireo mpianatra nisoratra anarana, ary efa vonona ihany koa ireo mpampianatra hampita fahalalana sy hanabe ireo taranaka.
Fiaraha-mientana ho anโ€™ny fanabeazana
Naneho fankasitrahana ny Association AHAD ny tomponandraikitra noho ny fanohanany ny fanabeazana sy ny ankizy.
Nankasitrahana manokana ihany koa ny Association RAFA MIRAY, noho ny fandraisany anjara taminโ€™ny fananganana ny CEG Imerikanjaka.
Ho anโ€™ny CEG Ambohibato, dia nankasitrahana ny fokonolona sy ireo rehetra nandray an-tanana ny fanamboarana sy ny fanatanterahana izany sekoly izany.
Antso ihany koa no napetraka ho anโ€™ireo ray aman-dreny, mba hanohy hanohana sy hampirisika ny zanany hianatra.
Fanabeazana no fototry ny hoavinโ€™ny taranaka. Ary rehefa miray hina ny fikambanana, ny fokonolona, ny ray aman-dreny ary ireo mpampianatra, dia vao mainka misokatra ny lalana ho aminโ€™ny fanabeazana tsara kokoa.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

Fรฉdรฉration Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - dรฉcembre 17, 2023 0
๐…๐žฬ๐๐žฬ๐ซ๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐Œ๐š๐ฅ๐š๐ ๐š๐ฌ๐ฒ ๐๐ž ๐Š๐ฎ๐ง๐ -๐…๐ฎ ๐–๐ข๐ฌ๐š — 15 dรฉcembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…