๐๐ฎ๐ซ๐ค๐ข๐ง๐š ๐…๐š๐ฌ๐จ : ๐๐จ๐ฌ๐š๐ณ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐‚๐’๐‚ ๐ก๐š๐ง๐๐จ๐š ๐Ÿ“๐ŸŽ ๐ญ๐š๐ฉ๐ข๐ญ๐ซ๐ข๐ฌ๐š ๐…๐‚๐…๐€ ๐ง๐ฒ ๐‚๐š๐ง๐š๐ฅ+ ๐ˆ๐ง๐ญ๐ž๐ซ๐ง๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง๐š๐ฅ

9 0

Nosazinโ€™ny Filankevitra Ambony misahana ny Serasera, na CSC, handoa lamandy mitentina 50 tapitrisa FCFA ny Canal+ International, noho ny tsy fanarahana ny adidy voalazanโ€™ny fifanarahana mikasika ny fahafahanโ€™ny mpanjifa mijery ireo fantsona nasionalim-panjakana ao Burkina Faso.

Araka ny fanazavanโ€™ny CSC, tsy nohajainโ€™ny Canal+ International ny fanoloran-tenany aminโ€™ny fandefasana maimaim-poana sy tsy misy fepetra ireo fantsonโ€™ny Radiodiffusion Tรฉlรฉvision du Burkina (RTB) ho anโ€™ireo mpanjifa monina ao Burkina Faso. Voalazanโ€™ny fifanarahana nosoniavina taminโ€™ny 14 Febroary 2025 fa tokony ho azonโ€™ny mpanjifa jerena hatrany ireo fantsona ireo, na dia efa tapitra aza ny abรดnemร ny, ary tsy mila manao dingana fanampiny izy ireo.

Na dia efa nomena fe-potoana hanaovana fanitsiana ara-teknika aza ny Canal+ International, ary efa nandefasana fampitandremana ofisialy taminโ€™ny Aprily 2025, dia nilaza ny CSC fa mbola nitohy ihany ny olana. Anisanโ€™izany ny fitakiana aminโ€™ny mpampiasa handefa SMS vao afaka miditra maimaim-poana aminโ€™ireo fantsona voakasika, izay heverinโ€™ny CSC fa fanitsakitsahana ny fifanarahana.

Manana 30 andro handoavana ny lamandy any aminโ€™ny Tahirim-bolanโ€™ny CSC ny Canal+ International, ary 30 andro hafa hanalana ireo sakana rehetra aminโ€™ny fijerena maimaim-poana ireo fantsonโ€™ny RTB. Nampitandrina ny CSC fa raha tsy tanteraka ao anatinโ€™ny fe-potoana voatondro izany, dia mety hisy sazy henjana kokoa hihatra aminโ€™ilay vondrona audiovisuel frantsay.

Nangonin’i Nema Samiratou
FDM – Burki nafaso

Related Post