π€π§π€πšπ³π¨π§ππšπ§ππ² : 𝐧𝐒𝐟𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 π­πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐒𝐟𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 πšπ¦π©πšπ‘π’π›πžπ¦πšπ¬π¨ 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐑𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐑𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲

93 0
Nifarana tamin’ny fifampiresahana sy fifandaminana ny raharaha nahakasika mpanao gazety iray voalaza fa niharan’ny fandrahonana nandritra ny fakΓ na vaovao tao amin’ny Fokontany Andalatsara, Kaominina Ankazondandy, Distrikan’i Manjakandriana. Raha tsiahivina, niseho ny 7 Jona 2026 ny disadisa nandritra ny fametrahana Filoham-pokontany tao an-toerana, ka nidina nanangona vaovao teny ifotony ilay mpanao gazety, mpikambana ao amin’ny APPEL sady mpanao gazety ara-dalΓ na eo anivon’ny OJM.
Araka ny fanazavana voaray, nandritra ny fanatanterahany ny asany no voalaza fa nisy tovolahy iray nandrahona sy naniratsira azy, ary nikasa hampiasa herisetra taminy sy tamin’ireo ekipa niaraka taminy. Noho izany, nitondra fitarainana teo anivon’ny CT-OJM sy ny fikambanana APPEL ilay mpanao gazety, mba hiarovana ny zon’ny mpanao gazety sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Taorian’ny fifandraisana nataon’ny CT-OJM sy ny APPEL tamin’ireo tomponandraikitra any an-toerana, tonga teny amin’ny Birao Foiben’ny OJM, Ambohidahy, ilay tovolahy voatonona amin’ny raharaha, fantatra amin’ny anarana hoe Rajo, nitondra fialan-tsiny sy fifonana ampahibemaso. Nanatrika izany ny CT-OJM, Ramatoa Felicia Davisonne, Nyh Gabriel Andriamitantsoa, Sekretera Jeneralin’ny APPEL, ary mpikambana vitsivitsy ao amin’ny APPEL, niaraka tamin’ny solontenan’ny Kaominina Ankazondandy sy ilay mpanao gazety tompon’antoka tamin’ny fitarainana.
Ity raharaha ity dia mampahatsiahy fa tsy fahavalo ny mpanao gazety, fa mpanangom-baovao sy mpampita ny zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina. Tokony hajaina ny asany, indrindra rehefa eo am-panatanterahana iraka ara-baovao izy. Etsy ankilany, ilaina hatrany ny fifampiresahana sy ny fitoniana rehefa misy disadisa, satria ny fanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fitandroana ny filaminana dia samy zava-dehibe ho an’ny demokrasia sy ny vahoaka.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

Fiarovam-pirenena β€” Fanavaozana lehibe eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Posted by - novembre 16, 2025 0
π…π’πšπ«π¨π―πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 β€” π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš π₯πžπ‘π’π›πž 𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π² π™πšπ§ππšπ«π’π¦πšπ«π’πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filΓ n’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao…

π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…