Morondava sahirana ireo mpaka fisotroan-dronono

599 0

Tara vao tonga ireo missionaries ka niteraka fahasahiranana sy savorovoro teo amin’ny trésor Morondava androany, nisy efa tamin’ny 4 ora sasany maraina no naka laharana saingy nasaina nody ny atoandro fa nisy olana ny fiara ireo missionaries ka mety tsy ho tratra androany saingy niaritra teo ihany ireto zoky olona satria na saran-dalana hodiana aza tsy misy hoy izy ireo ka dia niaritra ny hain’andro sy ny hanohanana teo tamin’ny telo folak’andro vao tonga ny iraka ka niroso tamin’ny Fanamariahana ny teo anivon’ny trésor saingy nohon’ny fikorotanan’ny laharana dia tsy nandeha ny fizarana ny fisotroan-dronono ho an’ireo be antitra ireo.

Nilamina ihany anefa izany ka efa tamin’ny 4 ora sasany vao niroso tamin’ny fizarana ny vola ary nilaza ny tompon’andraikitra fa hiezaka hizara arak’izay tratra satria hiaraha mahalala koa ny fisian’ny délestage hoy izy ka izay vita hatramin’ny fahatapahan’ny Jiro no ezahina fa izay tsy tratra koa miandry alatsinainy.

Raha ny fanazavany Andriamatoa Simon izay missionnaire moa dia in-telo vaky kodiarana ny fiara nandehanany no nahatonga ny fahatarana izay tsara mahirina moa fa mandeha taxi brousse izy saingy nohon’ny olana teo amin’ny kaoperativa izay hafa no nisoratany anarana nefa kaoperativa hafa indray ny fiara rehefa handeha, ka raha niantso fiara hafa hamonjy aza dia tsy nisy, isany miteraka ny fahasimban’ny fiara moa ny haratsian’ny lalana mampitohy ny renivohitry ny faritra Menabe sy ny renivohitr’i Madagasikara koa mampitaraina ireo mpitatitra zotra Nasionaly sy mpampiasa iny lalana iny izay miteraka fatiantoka nohon’ny fahasimban’ny fiara sy fahatarana izay misy voka-dratsy maro toy ity tranga androany ity.

Ny toerana eo amin’ny trésore Morondava nefa tsy mba misy fijerena ireo zoky olona mpaka fisotroan_dronono ireto fa dia miharitra ny masoandro eo rehefa tonga ny fahavolon’ny volana izay handraisan’ireo ireo ny fisotroan-drononony.

Nangonin’i RaPà Menabe

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬 (𝑵𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒕𝒓𝒆𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚…

𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚

Posted by - janvier 16, 2024 0
𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…