Gaza : Tafakatra 7000 ireo olona maty voadarok’Israely

303 0
Taorian’ny fanafihana nataon’ny vondrona palestiniaina Hamas, nahafatesana Israelianina mihoatra ny 270, ary olona voatazona an-keriny mihoatra ny 200, dia namaly bontana ny Israelianina, ka daroka baomba variraraka tao amin’ny faritra Gaza no nanehoan’izy ireo ny heriny.
 
Tsy mety ahitana vahaolana mihitsy moa ity adi-tany sy fiandrihanana any Palestine sy Israely ity.
Lazain’i Israely fa azy ny tany, araky ny tantaram-pinoana, izay tohanan’ny Amerikanina izy ireo amin’izany, miaraka amin’ny firenena tandrefana.
 
Hatramin’ny sarin-tany aza dia lasa hidian-kevitra ny fahamarinany, satria dia tsy raisina ho firenena i Palestine, fa Isarely no manana izay fiandrihanana izay.
 
(Sary nindraminy – Carte LeParisien)

Related Post

πŒπ€π‹πˆ – 𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀 π“π‘π€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π“π€πŽπŒ-ππ€πŽπ•π€πŽ πŸπŸŽπŸπŸ” :

Posted by - janvier 13, 2026 0
πŒπ€π‹πˆ – 𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀 π“π‘π€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π“π€πŽπŒ-ππ€πŽπ•π€πŽ πŸπŸŽπŸπŸ” : Nandray ny firarian-tsoa avy amin’ireo hery velona eo anivon’ny firenena ny Filohan’ny…