๐’๐„ฬ๐๐„ฬ๐†๐€๐‹ : ๐Œ๐ข๐ญ๐จ๐ก๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐Ÿ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ข๐ง๐ข๐ก๐š๐ง๐š ๐š๐ซ๐š-๐ฉ๐จ๐ฅ๐ข๐ญ๐ข๐ค๐š ๐ญ๐š๐ซ๐ข๐ก๐ข๐งโ€™๐ข ๐๐š๐ฌ๐ฌ๐ข๐ซ๐จ๐ฎ ๐ƒ๐ข๐จ๐ฆ๐š๐ฒ๐ž ๐…๐š๐ฒ๐ž

16 0
Nanomboka andiam-pifampidinihana ara-politika tao Dakar ny filohanโ€™i Sรฉnรฉgal, Bassirou Diomaye Faye, ho fitadiavana marimaritra iraisana manoloana ny raharaham-pirenena sy ireo fanamby lehibe sedrainโ€™ny firenena.
Araka ny vaovao voaray dia nokasaina hatao aminโ€™ny endrika dinika nasionaly midadasika kokoa izany tany am-boalohany, saingy noferana taminโ€™ny dingana voalohany ho anโ€™ireo tomponโ€™andraikitra ambony teo aloha sy ireo praiminisitra efa nitantana ny governemanta.
Anisanโ€™ireo nihaona taminโ€™ny filoha sรฉnรฉgaley ireo filohanโ€™andrim-panjakana teo aloha, izay nifampidinihana momba ny fitantanana ny firenena, ny toetry ny tontolo politika ary ny vinavina ho anโ€™i Sรฉnรฉgal. Nitohy taminโ€™ireo praiminisitra teo aloha ihany koa ny fihaonana, ka isanโ€™ireo nandray anjara i Aminata Tourรฉ, vehivavy tokana efa nitana ny toeranโ€™ny praiminisitra tao Sรฉnรฉgal.
Tonga niatrika ny fifanakalozan-kevitra ihany koa i Amadou Ba, praiminisitra teo aloha sady mpifaninana taminโ€™i Bassirou Diomaye Faye nandritra ny fifidianana filoham-pirenena taminโ€™ny taona 2024.
Marihina fa tanterahina ao anatinโ€™ny toe-draharaha politika mbola ahitana fifanenjanana eo aminโ€™ny fitondrana sy ny ampahany aminโ€™ny mpanohitra izao fifampidinihana izao. Misy rahateo ireo antoko politika nisafidy ny hanao ankivy ny dingana, isanโ€™izany ny Alliance pour la Rรฉpublique (APR), antokonโ€™ny filoha teo aloha Macky Sall.
Araka ny nambaranโ€™ny fiadidiana ny Repoblika sรฉnรฉgaley dia hitohy hatraminโ€™ny 28 mey ireo dinika ara-politika ireo, ka ny tanjona dia ny hampihenana ny disadisa politika sy hanamafisana ny firaisankinam-pirenena ao Sรฉnรฉgal.
Nangonin’i Nema Samiratou
FDM – Burkina Faso

Related Post