ππππππ πππππ ππππππππππ
Nambaranβny fitantanana fa misy ny fanavaozana sy fanatsarana eo anivonβny KBM
Notanterahina teny aminβny Kianja BAREA Mahamasina ny zoma 15 mey lasa teo ny fihaonana voalohany teo aminβireo mpikambana ao aminβny Filan-kevi-pitantananβny SociΓ©tΓ© de Patrimoine Kianja BAREA SA (KBM) sy ireo mpiasanβny Kianja BAREA Mahamasina.
Tonga nanotrona izany fihaonana izany ireo solontena avy aminβny Minisiteranβny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), raha tsy afaka nanatrika kosa ireo avy aminβny Minisiteranβny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) noho ny fifanindrianβny fandaharam-potoana.
Nandritra ny fotoana no nanolorana ny tatitry ny asa sy ireo fanavaozana notanterahina tao aminβny KBM nanomboka taminβny nandraisanβi Dr Mady RASOLOVONINJATOVO ny fitantanana ny orinasa taminβny volana Aogositra 2025.
Anisanβireo nambara taminβizany ny fanomezana fifanarahana asa maharitra (CDI) ho anβny mpiasa miisa 90 eo ho eo, ny fampidirana azy ireo ao aminβny CNaPS sy ny fiantohana ara-pahasalamana, ary ny fananganana delegenβny mpiasa.
Nambaranβny tomponβandraikitra ihany koa fa nisy ny fanatsarana ny tontolonβasa, toy ny fametrahana βpointage biomΓ©triqueβ, ny fanajana ora fiasana manomboka aminβny 8 ora maraina ka hatraminβny 5 ora hariva, ary ny fampiharana ny fanaovana rosia aminβireo vola rehetra miditra eo anivonβny kianja.
Etsy ankilany, napetraka ihany koa ny cantine maimaimpoana ho anβny mpiasa isanandro, ankoatra ny alahady.
Nisy rahateo ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ao anatinβny Kianja BAREA Mahamasina, talohanβny namaranana ny fihaonana taminβny fotoana ara-pirahalahiana niarahana taminβireo mpiasa rehetra.
Nanambara ny fahafaham-pony sy ny fahavononany hanohana hatrany ny fampandrosoana eo anivonβny KBM ireo mpikambana ao aminβny Filan-kevi-pitantanana, sady naneho ny fanantenany aminβny fitohizanβny fanavaozana sy ny ho avinβny orinasa.
Nangonin’ Lay Mahitsy




