π“π¨πšπ¦πšπ¬π’π§πš : 𝐧𝐒𝐑𝐚𝐨𝐧𝐚 π­πšπ¦π’π§β€™π’π«πžπ¨ 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐧𝐲 π‹πžπ‘π’π›πžπ§β€™π§π² π…πšπ«π’π­π«πš π€π­π¬π’π§πšπ§πšπ§πš

103 0
Notanterahina androany Alarobia 13 mey 2026 tao Toamasina ny fihaonana voalohany teo amin’ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana, Razafiarison Jean Jugus, sy ireo solontenan’ny haino aman-jery avy amin’ny β€œstations” miisa 29 miasa ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka.
Nandritra ity fihaonana ity no nanamafisan’ny Lehiben’ny Faritra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety, indrindra amin’ny fampitana vaovao marina sy ny fanohanana ireo vinan’asa entina hampandrosoana ny Faritra Atsinanana.
Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra sy famelabelarana momba ireo laharam-pahamehana kasaina hotanterahina ao
amin’ny Faritra, ka nasongadina tamin’izany ny anjara toeran’ny asa fanaovan-gazety amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny vahoaka.
Etsy ankilany, naneho ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny tomponandraikitra ara-panjakana ireo mpanao gazety nandray anjara tamin’ny fihaonana, amin’ny tanjona hampandrosoana ny fiarahamonina sy hiantohana ny fahazoan’ny olom-pirenena vaovao azo antoka sy manakaiky ny zava-misy.
Notsindrian’ny rehetra nandritra ny fihaonana fa isan’ireo andry lehibe iankinan’ny fampandrosoana ny asa fanaovan-gazety, indrindra amin’ny fanamafisana ny mangarahara sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra.
Nitondra ny hafatra hoe : β€œFanavaozana ho any amin’ny fampandrosoana” ity fihaonana ity.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

πŸ‘‰π…πˆπ‡π€π“π‘π„π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€ MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
βœ…πŒπ’πšπ­π«π’π€πš 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π’π‘πŒπ• 𝐬𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐒𝐬𝐚𝐀𝐲 𝐧𝐲 π›π’π«πšπ¨π¦-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 πŒπžπ§πšπ›πž 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…