π€π¦π›πšπ­π¨π₯𝐚𝐦𝐩𝐲 : 𝐑𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐒𝐚𝐧𝐣𝐚 β€œππ’π¬πœπ’π§πžβ€ 𝐑𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐜𝐑𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐧𝐧𝐚𝐭 𝐫𝐞́𝐠𝐒𝐨𝐧𝐚π₯ 𝐝𝐞 π›πšπ¬π€πžπ­π›πšπ₯π₯

14 0
Kasaina hotanterahina eto Ambatolampy amin’ity taona ity ny fiadiana ny tompondaka isam-paritra taranja basketball. Ho fanomanana izany fandraisana izany dia nanapa-kevitra ny hanatsara ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto an-toerana ny Kaominina Ambatolampy, tarihin’ny Ben’ny TanΓ na Mika Rakotomalala sy ny ekipany.
Anisan’ny hovaina sy havaozina amin’izany ny kianja filalaovana basket ao Antapotanana, fantatra amin’ny anarana hoe β€œPiscine”. Tafiditra ao anatin’ny asa fanarenana ny fanatsarana ny kianja filalaovana, ny gradin, ary koa ny trano fidiovana, douche ary vestiaire.
Noho ireo asa fanamboarana ireo dia hampahafantarina ny rehetra fa hikatona mandritra ny 20 andro ny kianja β€œPiscine”, mandra-pahavitan’ny asa.
Nanentana ny mponina ihany koa ny tomponandraikitra mba hanaja sy hikojakoja ireo fananana iombonana, indrindra ireo fotodrafitrasa natao ho an’ny tanora sy ny fanatanjahantena.
Marihina fa efa hatramin’izay no fantatra tamin’ny fanohanany ny tanora tia fanatanjahantena ny Ben’ny TanΓ na Mika Rakotomalala, ka tafiditra ao anatin’ny vina fampandrosoana ny tanΓ na ny fanatsarana ireo toerana ara-panatanjahantena.
Mitondra ny teny filamatra hoe : β€œAmbatolampy tsy maintsy mandroso” ny kaominina amin’izao ezaka fanavaozana izao.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post