AFRICA FORWARD 2026 : Nandray anjara tao Nairobi ny Filohan’ny Fanavaozana

104 0
Nandray anjara tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena Africa Forward 2026 izay notanterahina tao amin’ny Kenyatta International Convention Centre ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël. Fihaonana lehibe nampivondrona ireo filoham-panjakana, praiminisitra ary tompon’andraikitra ambony avy amin’ny firenena sy fikambanana iraisam-pirenena maro manerana an’i Afrika sy ivelany izy ity.
Anisan’ireo mpitarika nandray anjara tamin’ny fihaonambe i William Ruto, Abdel Fattah el-Sisi, Bola Ahmed Tinubu ary Emmanuel Macron.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, ny fampandrosoana maharitra ary ny fanohanana ny sehatry ny fanavaozana aty Afrika ny dinika nandritra ity fihaonambe ity. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanasongadina ny fahavononan’i Madagasikara handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny tetikasa fampandrosoana sy ny sehatra mamorona asa sy harinkarena ny Filohan’ny Fanavaozana.
Nasongadina ihany koa nandritra ny fihaonana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ireo firenena afrikanina amin’ny fanohanana ny fampiasam-bola sy ny fampandrosoana eny ifotony, mba hahafahana manatsara ny fari-piainan’ny vahoaka sy mampiroborobo ny fitomboana ara-toekarena maharitra eto amin’ny kaontinanta afrikanina.

Related Post

𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - juillet 30, 2025 0
‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑨𝑴𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑻𝑨𝑵𝑻𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑻𝑬𝑶 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑴𝑷𝑰𝑺𝑶𝑳𝑶 𝑻𝑶𝑬𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑺𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑽𝑶𝑨𝑻𝑬𝑵𝑫𝑹𝒀 ‎‎ ‎ Andriamatoa ANDRIAMAHATANA Joëlis Charlis, ho…

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…