๐—™๐—”๐— ๐—œ๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—ข๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—Ÿ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ก๐—ง๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ก-๐—๐—”๐—ฉ๐—”๐—•๐—ข๐—”๐—›๐—”๐—ฅ๐—ฌ ๐— ๐—”๐—ž๐—”๐—ฌ ๐—˜๐—ข ๐—”๐— ๐—•๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—”๐—›๐—œ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐——๐—”๐—š๐—”๐—ฆ๐—–๐—”๐—ฅ ๐—ก๐—”๐—ง๐—œ๐—ข๐—ก๐—”๐—Ÿ ๐—ฃ๐—”๐—ฅ๐—ž๐—ฆ

128 0

Notanterahina taminโ€™ny fomba ofisialy tany Malaimbandy, ny 08 Mey 2026, ny fametrahana ny Madagascar National Parks (MNP) ho mpitantana ny Valan-javaboahary MAKAY, taorianโ€™ny famoahanโ€™ny Governemanta ny didim-pitondrana taminโ€™ny 04 Febroary 2026 mikasika ireo valan-javaboahary eto Madagasikara.

Ny fanapahan-kevitra laharana 137-26/MEDD/Mi nivoaka taminโ€™ny 04 Febroary 2026 avy aminโ€™ny Ministeranโ€™ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy no nanome fankatoavana ofisialy ny hitantananโ€™ny MNP ny Valan-javaboahary MAKAY, izay miparitaka ao aminโ€™ny Distrikanโ€™i Mahabo, Faritra Menabe, sy ny Distrikanโ€™i Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana.

Tonga nanome voninahitra ity lanonana lehibe ity ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy ANDRIATSIHALA Nolave Luck Aristide, niaraka taminโ€™ny Lehibenโ€™ny Faritra Menabe Lieutenant-Colonel AUNEZIFORT Philippe, ny Solombavambahoakanโ€™i Madagasikara voafidy tany Benenitra izay sady Filohanโ€™ny Komisiona misahana ny Tontolo Iainana eo anivonโ€™ny Antenimierampirenena, ary ny Tale Jeneralinโ€™ny MNP. Nanatrika izany ihany koa ireo delegasiona avy aminโ€™ny Faritra Atsimo Andrefana sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila maro samihafa.

Nandritra ny fotoana dia nisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo aminโ€™ny MNP sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka isan-karazany, ka isanโ€™izany ny FIZAMA, Nature Evolution ary Tany Ifandovana, ho fanamafisana ny fiaraha-mientana aminโ€™ny fitantanana sy fiarovana ny valan-javaboahary.

Anisanโ€™ireo valan-javaboahary lehibe sy manan-danja eto Madagasikara ny MAKAY, ary laharana fahadimy aminโ€™ireo valan-javaboahary maherinโ€™ny 150 manerana ny Nosy. Manana sata manokana izy noho ny fisianโ€™ireo ala mikitroka, harena voajanahary tsy manam-paharoa, ary zava-boary mampiavaka azy. Ahitana ihany koa ireo fasana Sakalava sy vakoka ara-kolontsaina sarobidy maneho ny tantara sy ny maha-izy azy ny faritra.

Araka ny fanazavana nataonโ€™ny tomponโ€™andraikitra, isanโ€™ireo asa lehibe miandry ny MNP aminโ€™izao fitantanana vaovao izao ny famaritana ny sarintany ofisialinโ€™ny valan-javaboahary sy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana hamantarana ireo zava-misy anatiny sy manodidina azy, izay kasaina ho tanterahina ao anatinโ€™ny herintaona.

Tanjona lehibe aminโ€™izao fitantanana vaovao izao ny hahatonga ny Valan-javaboahary MAKAY ho antoky ny fampandrosoana maharitra ho anโ€™ireo vahoaka manodidina azy, indrindra aminโ€™ny alalanโ€™ny fizahantany maharitra sy ny fampiroboroboana ny toe-karena eny ifotony. Efa anatinโ€™ny vina napetraky ny MNP ihany koa ny fanokafana ny lalam-pizahantany โ€œTSINGY โ€“ MAKAY โ€“ ISALOโ€, izay antenaina hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy hampisongadina bebe kokoa ny harenโ€™i Madagasikara eo aminโ€™ny sehatra iraisam-pirenena.

Nanao antso avo aminโ€™ireo mponina manodidina ny valan-javaboahary ny tomponโ€™andraikitra rehetra mba samy ho saro-piaro aminโ€™ny fiarovana sy fikajiana ity harena voajanahary sy ara-kolontsaina ity, izay heverina ho lova sarobidy ho anโ€™ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy.

โœ๏ธ RA PA

Related Post