๐Œ๐„๐๐€๐๐„ : ๐๐ˆ๐’๐Ž๐Š๐€๐“๐‘๐€ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐Ž๐Œ๐๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐Š๐€๐-๐Š๐„๐•๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐€๐-๐“๐€๐๐˜ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐‰๐€๐‘๐ˆ๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐€๐๐˜

5 0

Nosokafana taminโ€™ny fomba ofisialy androany Alakamisy 23 Aprily 2026, tao aminโ€™ny Salle dโ€™ล“uvre Katolika Namahora, eto Morondava, ny fankan-kevitra isam-paritra mikasika ny fananan-tany, ny fanajariana ny tany ary ny toeram-ponenana ho anโ€™ny Faritra Menabe.

Haharitra roa andro ity hetsika ity izay hanasana ireo sokajinโ€™olona maro samihafa . Natokana ho anโ€™ireo tomponโ€™andraikim-panjakana, ireo rafitra sy fikambanana miankina sy tsy miankina aminโ€™ny fanjakana ary ireo olobe an-tanana ny andro voalohany. Ho anโ€™ny andro faharoa kosa dia hasaina handray anjara manokana ireo tanora, ny fikambananโ€™ny tanora ary ireo mpianatra, ho fampidirana ny feonโ€™ny taranaka ho avy aminโ€™ny fandrafetana politika sy paikady.

Araka ny nambaranโ€™ny talemparitry ny fananan-tany, ny fanajariana ny tany ary ny toeram-ponenana RASEDIMAHEFA Tsimiebo , dia tanjona ny hanangona sy handrindra ireo hevitra avy aminโ€™ny mpandray anjara rehetra ity fankan-kevitra ity. Ireo sosokevitra voaangona dia hoentina hanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany, hanamafisana ny fanajariana ara-drafitra ny tany, ary hanatsarana ny fandrindrana ny toeram-ponenana manerana ny Faritra Menabe.

Zava-dehibe ity hetsika ity satria mifamatotra aminโ€™ny fampandrosoana maharitra ny faritra ny fananan-tany sy ny fanajariana azy, indrindra eo anatrehanโ€™ny fitomboanโ€™ny mponina sy ny fanamby ara-tontolo iainana. Ny fanamafisana ny fifampidinihana toy izao dia heverina ho dingana iray lehibe mankany aminโ€™ny fitantanana mangarahara sy mahomby kokoa ny loharanon-karena ara-tany.
Tonga nanome voninahitra izao fankan-kevitra izao moa ny lehiben’ny faritra mpisolon-toerana ary nanokatra ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy kosa ny Prรฉfet an’i Morondava.

Mitohy rahampitso ny hetsika, izay antenaina hitondra fijery vaovao avy aminโ€™ny tanora sy ny mpianatra, ho fanamafisana ny vahaolana maharitra ho anโ€™ny Faritra Menabe.
โœ๏ธ RA PA

Related Post