๐Œ๐ˆ๐“๐’๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐™๐€๐‡๐€๐-๐“๐€๐๐˜ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐“๐€๐๐€๐๐€

102 0

Tonga nanao fitsidihana ofisialy ato aminโ€™ny faritra Menabe ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana, Ramatoa VOLOLONIAINA Lucie (fantatra aminโ€™ny anarana Lily Rafaralahy), ny alahady 12 Aprily 2026. Delegasionina marolafy no niaraka taminy nandritra izao iraka izao.

Araka ny fanazavana azo, dia tafiditra ao anatinโ€™ny fanomanana ny taom-pizahantany 2026 ity fitsidihana ity. Tanjona aminโ€™izany ny hanomezana toromarika ireo mpisehatra aminโ€™ny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa tanana, mba hanatsarana ny kalitaonโ€™ny tolotra ho anโ€™ireo mpizahan-tany, ary koa hijerena mivantana ireo olana mbola sedraina eny ifotony.

Ny Centre eco-tourisme Menabe no nanombohanโ€™ny fandaharam-potoana, izay nahitana ny fanamafisanโ€™ny ministera ny fahavononany hanohana ity ivon-toerana ity, indrindra eo aminโ€™ny lafiny fampiroboroboana ara-barotra.

Taorianโ€™izay dia nisy fihaonana teo aminโ€™ny delegasionina tarihinโ€™ny minisitra sy ireo mpandraharaha aminโ€™ny fizahan-tany sy asa tanana avy aminโ€™ny faritra Menabe sy Melaky. Nandritra izany no nanamafisanโ€™ireo mpisehatra fa milamina tanteraka ny resaka fandriam-pahalemana ato Menabe, sady nanao antso avo aminโ€™ny fanjakana momba ireo fanamby mbola misy, indrindra ny olanโ€™ny lalana mankany aminโ€™ny Tsingy de Bemaraha.

Ho setrinโ€™izany, nanambara ny minisitra fa anton-diany ny hijery vahaolana maharitra aminโ€™ireo olana miseho eny ifotony, mba hanamafisana ny firoboroboanโ€™ny fizahan-tany ao aminโ€™ny faritra.

Hitohy any aminโ€™ny distrikanโ€™i Belo sur Tsiribihina ny fitsidihana, araka ny fandaharam-potoana napetraka.

Marihina fa niaraka nanotrona ity fitsidihana ity ny lehibenโ€™ny faritra Menabe, ireo tomponโ€™andraikitry ny filaminana, ary ireo mpandraharaha isan-tsokajiny eo aminโ€™ny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa tanana ao an-toerana.
โœ๏ธRA PA

Related Post

๐Ÿ”ฅ ๐‘๐„ฬ๐•๐„๐ˆ๐‹๐‹๐Ž๐ ๐ƒ๐” ๐๐Ž๐”๐•๐„๐‹ ๐€๐ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” ๐Ÿ”ฅ โœจ ๐—ฆ๐—ข๐—œ๐—ฅ๐—˜ฬ๐—˜ ๐—ฃ๐—ฅ๐—˜๐—ฆ๐—ง๐—œ๐—š๐—˜ & ๐—˜๐—ซ๐—ฃ๐—˜ฬ๐—ฅ๐—œ๐—˜๐—ก๐—–๐—˜ ๐—š๐—”๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—ข๐—ก๐—ข๐— ๐—œ๐—ค๐—จ๐—˜ โœจ

Posted by - dรฉcembre 29, 2025 0
Le ๐—–๐—ฒ๐—ป๐˜๐—ฟ๐—ฒ ๐—˜ฬ๐—ฐ๐—ผ๐˜๐—ผ๐˜‚๐—ฟ๐—ถ๐˜€๐˜๐—ถ๐—พ๐˜‚๐—ฒ ๐—ฑ๐˜‚ ๐— ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—ฒ vous invite ร  une ๐ฌ๐จ๐ข๐ซ๐žฬ๐ž ๐ž๐ฑ๐œ๐ž๐ฉ๐ญ๐ข๐จ๐ง๐ง๐ž๐ฅ๐ฅ๐ž pour cรฉlรฉbrer le passage en ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” dans un cadre…