๐—ง๐—ข๐—”๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—” : ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ถ๐˜‡๐˜† ๐˜๐—ฟ๐—ฎ-๐—ฏ๐—ผ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฟ๐—ถ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฑ๐—ผ๐˜‡๐—ฎ ๐—š๐—ฒ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ถ, ๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ถ๐˜‡๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฒ๐—ฟ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐Ÿฏ ๐Ÿฌ๐Ÿฌ๐Ÿฌ ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ

14 0

Taorianโ€™ny nandalovanโ€™ilay rivodoza mahery vaika Gezani dia nanatanteraka hetsika fanohanana ho anโ€™ireo ankizy mpianatra tra-boina any Toamasina ny fikambanana Lร lan’i Madagasikara.

Nitarika izany ny Mpandrindra Nasionaly, Atoa Fenofitondrana Rakotozanakajy, izay niaraka taminโ€™ny ekipany nizara fitaovam-pianarana ilaina andavanandro, toy ny cahier sy stylos (mainty, mena ary manga), ary koa โ€œkits solairesโ€ ahafahanโ€™ireo ankizy mamahana finday aminโ€™ny toerana mbola tsy ahitana herinaratra.

Fokontany maro no notsidihinโ€™ny ekipa, ka ny Filohanโ€™ny Fokontany tsirairay avy no nanome ny lisitry ny tokantrano sy ankizy tena sahirana sy tra-boina. Araka ny tatitra voaray, ankizy maherinโ€™ny 3 000 no efa nisitraka mivantana ireo fanampiana ireo.

Ankoatra ny fanomezana ara-pitaovana dia mbola mitohy ny hetsika ara-tsosialy, izay hatao isaky ny asabotsy, ahitana asa fanadiovana, fikarakarana fahadiovanโ€™ny vatana (fanalana hoho, fampandroana, fanasana lamba), ary fiaraha-misakafo aminโ€™ireo ankizy sy fianakaviana tra-boina.

Tsy voafetra aminโ€™izany ihany anefa ny vinanโ€™ny tetikasa. Efa eo am-panaovana fandinihana ihany koa ny fametrahana โ€œcontainersโ€ azo avadika ho trano fonenana mahazaka rivo-doza, izay kasaina hanampiana fianakaviana maro very trano vokatry ny loza.

Ity hetsika ity dia tanterahina ao anatinโ€™ny fiaraha-miasa aminโ€™ny Fondation Terra Futura, fikambanana iraisam-pirenena manana foibe any Suisse, ary tafiditra ao anatinโ€™ny fandaharanasanโ€™ny Office National pour la mise en place et le suivi des Projets ร  Impact Rapide multisectoriels izay tarihinโ€™i Atoa Rija Rakotozanakajy.

Araka ny nambaranโ€™ireo tomponโ€™andraikitra, ny fanohanana ny fanabeazana sy ny fahalalanโ€™ny ankizy no antoka lehibe hiarovana ny hoavinโ€™ny firenena. Ankizy manana fahalalana sy fahatsiarovan-tena no afaka misafidy ny lalana marina, ka tsy ho mora voafitaky ny fanamby sy ny fanararaotana mety hatrehiny rahatrizay.

Mitondra hafatra mazava ny hetsika : tsy irery i Toamasina. Ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana no lakilenโ€™ny fanarenana maharitra.

Loharano : Lalanimadagasikara.com
โœ๏ธ RA PA

Related Post

๐Ÿ‘‰๐…๐ˆ๐‡๐€๐“๐‘๐„๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€๐๐€ MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
โœ…๐Œ๐ข๐š๐ญ๐ซ๐ข๐ค๐š ๐Ÿ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐จ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ค๐š๐ฆ๐›๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐’๐‘๐Œ๐• ๐ฌ๐ฒ ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ฆ๐ฉ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐จ๐Ÿ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ค๐š๐ฆ๐›๐š๐ง๐š ๐ข๐ฌ๐š๐ค๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐›๐ข๐ซ๐š๐จ๐ฆ-๐ฉ๐ข๐Ÿ๐ข๐๐ข๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐š๐ญ๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐Œ๐ž๐ง๐š๐›๐ž ๐ข๐ณ๐š๐ฒ ๐š๐ญ๐š๐จ…