FIKAROHAM-BAHAOLANA AMIN’NY KRIZY : RAIKITRA NY FIHAONANA ENY TSIMBAZAZA

292 0

FIKAROHAM-BAHAOLANA AMIN’NY KRIZY : RAIKITRA NY FIHAONANA ENY TSIMBAZAZA

Tamin’ny 11 ora maraina teo no nanomboka ny fihaonana . Kandida 9 amin’ny 13 no tonga, misy ny nandefa solotena. Ny Filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny FFKM no mandray azy ireo. Misy olona efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ihany koa manatrika ny fihaonana. Isan’izany ny jeneraly Ramakavelo, Prof Ranjeva Raymond, Rtoa Atallah Béatrice , ny jeneraly Charles Rabemananjara, praiminisitra teo aloha sady efa mpikambana tao amin’ny filan-kevitry ny fampihavanam-pirenena, tazana eny an-toerana ihany koa Rtoa Noro Harimisa Razafindrakoto, minisitry ny fitsarana teo aloha, ny Prof Tehindrazanarivelo, minisitry ny fahasalamam-bahoaka teo aloha, ny jeneraly Amedé Ramihone sy ny maro hafa.

Related Post

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 – 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐬𝐢𝐩𝐚𝐥𝐲.

Posted by - septembre 4, 2024 0
Nisy ny sehatra nifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora eto Antsirabe Ambonivohitra androany 02 septambra.…