Fihaonana teo amin’ny Polisimpirenena sy ireo koperativa fitateram-bahoaka

176 0
Manoloana ny savorovoro niseho teo amin’ny zotra 194, izay nitarika fanakorontanana ny fifamoivoizana teny Ampasampito ny marainan’ny 03 Febroary 2026, dia nisy fihaonana sy fifanakalozan-kevitra nataon’ny Polisimpirenena niaraka tamin’ireo filohan’ny koperativa mpitatitra eto Antananarivo sy ireo avy any ivelany.
Notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, Contrôleur Général de Police Tsaramonina Ravony Jean Victor, ny fihaonana, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, tarihin’ny Commissaire Principal de Police Rafalimanana Alain Adonis.
Nampiantsoana manokana tamin’izany ireo filohan’ny koperativa mifehy ny zotra 194, ny zotra E ary ny koperativa Mirindra. Araka ny fanazavana nandritra ny fihaonana, dia nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fametrahana ny fifampitokisana eo amin’ny Polisy sy ireo mpisehatra amin’ny fitateram-bahoaka ny fifanakalozan-kevitra.
Nifanarahana fa ilaina ny fifampiresahana mialoha amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fifamoivoizana raha misy tranga heverina ho fihetsika mihoa-pefy ataon’ny Polisy eny an-dalana, mba hahafahana manamarina izany araka ny lalàna sy ny fomba fanao.
Nambaran’ny Polisimpirenena fa hanohy hatrany ny fampiharana fomba fiasa matihanina, manaja ny lalàna ary manaja ny zon’ny olom-pirenena ny Polisy miasa eny an-dalambe. Notsindriana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny ady amin’ny kolikoly, izay mbola heverina ho isan’ny olana lehibe eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka.
Nohamafisina nandritra ity fihaonana ity fa tsy maintsy manaja tanteraka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ireo mpamily fitateram-bahoaka, mba hisorohana ny sazy sy hampihenana ny fanakorontanana eny an-dalana.
Farany, nanamafy ny Polisimpirenena fa hampitomboina sy hamafisina ny fandaminana manokana eny amin’ireo faritra tena ahitana fitohanana tafahoatra, indrindra amin’ireo ora sy toerana marefo, ho fiantohana ny fivezivezen’ny fiara milamina, ny filaminam-bahoaka ary ny tombontsoan’ny besinimaro.

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…