Tontosa omaly tao Soavinandriana ny fitokanana ny Oniversiten’Itasy. Tonga nisolo tena an’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika nitokana izany ny Mpanolotsaina Avonโny Fanavaozana, ny Kolonely ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin, notronin’Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika ary ireo tomponandraiki-panjakana ao amin’ny faritra Itasy.
Notokanana tamin’izany:
– ny ยซย Bรขtiment polyvalent 1ย ยป, izay ahitana ny Radion’ny Oniversiten’Itasy, ny ยซย Laboratoire informatique et de la Tรฉlรฉcommunicationย ยป;
– ny trano ho an’ny mpianatra sy ny tobim-pahasalamana natao ho an’ny mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha ;
– ny ยซย Bรขtiment polyvalent 2 sy 3ย ยป izay ahitana birao, trano fianarana sy trano famakiam-boky ary laboratoara manokana;
– ny ยซย Amphithรฉรขtreย ยป, natao handraisana hetsika sy seho lehibe isan-karazany.
Raha tsiahivina, tamin’ny taona 2015 no nitsangana ny Oniversiten’Itasy ary mbola niankina tamin’ny Oniversiten’Antananarivo izy tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny kosa, efa mahaleo tena ity Oniversite ity.
Ahitana sekoly ambony manofana ho injeniera, sekoly ambony momba ny lalร na, ny toekarena sy ny fitantanana, sekoly ambony mampiofana ho mpitsabo mpanampy, sekoly ambony momba ny siantsa sy ny teknรดlรดjia, ary sekoly ambony momba ny zava-kanto, sy teny aman-tsoratra ary siantsan’ny maha olona ny Oniversiten’Itasy.
Miorina amina velaran-tany 30ha ny Oniversiten’Itasy ary ahitana mpianatra manodidina ny 2500.
Nandritra ny lahateny izay nataony, notsiahivin’Andriamatoa Mpanolotsaina Avonโny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin ny maha zava-dehibe ny toeran’ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ilaina ny tanora mandray andraikitra, hoy izy, ary antsoina izy ireo hifanolo-tanana amin’ny mpitondra ao anatin’izao fanavaozana izao. Niantso ny tanora ho sahy hanonofy izy ary tsy hatahotra ka hametraka ho tanjona ny fitiavan-tanindrazana.
Tamin’ny OMALY moa dia nisy ny famoahana mpianatra nahavita fianarana miisa 500 mitondra ny anarana andiany ยซย FANANTENANAย ยป.
Dika tsy nasiam-panovana avy tao amin’ny Zanak’ Itasy




