AMBAHIKILY – MOROMBE
Tamin’ny alalan’ny fifampiresahana narahana fihenoana ireo hetahetan’ny andaniny sy ny ankilany no paik’aidy nentin’ny Prefen’i Toliara RATOVELO Thierry Aubin namaha ny olana tao Ambahikily.
💥 Folo andro (10) nahidin’ireo mpifaninana amin’ny Ben’ny Tanana lany amizao JACKI ny toeram-piasan’ny ben’ny Tanana, betsaka moa ireo fitakina sy fomba fiasa tsy enken’izireo hatao.
💢 Tonga nidina ifotony arakizany ireo mpikambana eo anivon’ny OMC izay notarihin’ny Prefen’i Toliara nanokatra ity biraom-panjakana iankinan’ny fiainana andavanandron’ny Mponina ity.
🙏 Hafatra hoan’ireo Tomponandraikitra sy ireo mpiasan’ny Kominina ary ireo vahoaka no nataon’ny Prefen’i Toliara RATOVELO Thierry ny mba hanarahan’izireo ny lalana velona mba ho fanajana ny asa ho fanompoana ny vahoaka.





