MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA NITOHY TAO AMIN’NY DISTRIKAN’NY MIANDRIVAZO NY DIABEN’NY FAMOKARANA HO AN’NY FARITRA MENABE

156 0



✅Nitohy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Isalo Distrikan’ny Miandrivazo ny diaben’ny famokarana ato amin’ny faritra Menabe izay ataon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ka ny minisitry ny fambolena sy fiompiana Andriamatoa Hajarison François Sergio no nitarika izany ny faha 3 Aogositra 2025 , distrika faha 50 notsidihin’ny minisitra moa ny distrikan’ny Miandrivazo.
Nandritrin’ny izany dia nisy ny fampihofanana mikasika ny fiompiana zanak’akoho sy ny teknika Papriz sy ny Pfumvudza eo koa ny famatsiana fitaovana sy fizarana masomboly ary zanak’akoho ho an’ireo navita fihofanana, nandritrin’ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa minisitra moa dia nanambara izy fa ho fanatratrarana ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia natao izao diaben’ny famokarana izao hitondrana tosika ho an’ireo tantsaha sy hijeren’ireo teknisianina ny olana sedrain’ireo Tantsaha ka hanomezana vahaolana mikasika izany, nitsidika ireo saha sekoly efa misy moa ireo delegasionina notarihan’Andriamatoa minisitra ary nijery ny famokarana masomboly tsaramaso tao amin’ny fokotany Soatana kaominina ambanivohitra Isalo ka nisy ny dinidika teny Ambaiboho nifanaovan’ireo tantsaha sy ireo ekipany ministera ka tamin’izany no nilazan’andriamatoa minisitra fa hatevenina ireo teknisianina eo anivon’ny fitaleovam-paritry ny fambolena sy fiompiana ary hampitomboina koa ireo mpiara-miombon’antoka toin’ny FOFIFA mba hanampy ireo tantsaha ato Menabe, nilaza koa izy fa tsy tokony hisy intsony ny fampihofanana anaty efitrano fa tokony eny an-tanimboly no mihofana sady manao fampiharana.
Navelombolo an’Andriamatoa minisitra koa ny fahitany ny ezak’ireo société coopérative Fiainana tsara tao Amin’ny fokotany Antsikida izay sady mampiatra ny teknika Pfumvudza ary miezaka mampifangaro izany amin’ny fiompiana maro loko mendrika ho tohanana sy atao ohatra ho an’ny tantsara rehetra manerana ny nosy no toy izao hoy izy rehefa nitsidika ny saha sekoly an’ny société coopérative Fiainana tsara ity.
Masomboly sebota 1.000 kilao sy sarcleuses 60 ary zanak’akoho 5.000 isa moa no nozarain’ny ministera tamin’ireo fikambanana navita fihofanana mandritr’izao fanakorontanana ny diaben’ny famokarana tato Menabe izao ary hitohy amin’ny faritra manerana ny nosy izao hetsika diaben’ny famokarana ataon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana izao, fa ho an’ny faritra Menabe kosa dia ny ekipany fitaleovam-paritra no hanohy ny diabe ho an’ireo distrika sy kaominina mandrafitra ny faritra Menabe, nanotrona izao diaben’ny famokarana tao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo izao moa ireo tompon’andraikim-panjakana ao Miandrivazo izay notarihan’ny lehiben’ny distrika ary ireo ben’ny tanana rehetra tao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo ary koa ny talemparitry ny serasera sy kolontsaina ato Menabe sy ny talemparitry fitanterana, ny lohonn’ny Madagasikara voafidy tato amin’ny faritanin’ny Toliara, izay misaotra sy nidera ny minisitry amin’izao fidinana ifotony izao ary ny nitondrany vahaolana tamin’ireo olan’ny tantsaha, nandritr’izany no nilazany fa tsy diso safidy ny filoham-pirenena nametraka ny minisitry ny fambolena sy fiompiana ary torak’izany koa ny talemparitry ato Menabe izay ahitam-bokatra azo tsampain-tanana tokoa eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tantsaha ka tsy mitsaha mitombo ireo vokatra ato Menabe.
✍️RA PA

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…