MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA NITOHY TAO AMIN’NY DISTRIKAN’NY MIANDRIVAZO NY DIABEN’NY FAMOKARANA HO AN’NY FARITRA MENABE

99 0



✅Nitohy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Isalo Distrikan’ny Miandrivazo ny diaben’ny famokarana ato amin’ny faritra Menabe izay ataon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ka ny minisitry ny fambolena sy fiompiana Andriamatoa Hajarison François Sergio no nitarika izany ny faha 3 Aogositra 2025 , distrika faha 50 notsidihin’ny minisitra moa ny distrikan’ny Miandrivazo.
Nandritrin’ny izany dia nisy ny fampihofanana mikasika ny fiompiana zanak’akoho sy ny teknika Papriz sy ny Pfumvudza eo koa ny famatsiana fitaovana sy fizarana masomboly ary zanak’akoho ho an’ireo navita fihofanana, nandritrin’ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa minisitra moa dia nanambara izy fa ho fanatratrarana ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia natao izao diaben’ny famokarana izao hitondrana tosika ho an’ireo tantsaha sy hijeren’ireo teknisianina ny olana sedrain’ireo Tantsaha ka hanomezana vahaolana mikasika izany, nitsidika ireo saha sekoly efa misy moa ireo delegasionina notarihan’Andriamatoa minisitra ary nijery ny famokarana masomboly tsaramaso tao amin’ny fokotany Soatana kaominina ambanivohitra Isalo ka nisy ny dinidika teny Ambaiboho nifanaovan’ireo tantsaha sy ireo ekipany ministera ka tamin’izany no nilazan’andriamatoa minisitra fa hatevenina ireo teknisianina eo anivon’ny fitaleovam-paritry ny fambolena sy fiompiana ary hampitomboina koa ireo mpiara-miombon’antoka toin’ny FOFIFA mba hanampy ireo tantsaha ato Menabe, nilaza koa izy fa tsy tokony hisy intsony ny fampihofanana anaty efitrano fa tokony eny an-tanimboly no mihofana sady manao fampiharana.
Navelombolo an’Andriamatoa minisitra koa ny fahitany ny ezak’ireo société coopérative Fiainana tsara tao Amin’ny fokotany Antsikida izay sady mampiatra ny teknika Pfumvudza ary miezaka mampifangaro izany amin’ny fiompiana maro loko mendrika ho tohanana sy atao ohatra ho an’ny tantsara rehetra manerana ny nosy no toy izao hoy izy rehefa nitsidika ny saha sekoly an’ny société coopérative Fiainana tsara ity.
Masomboly sebota 1.000 kilao sy sarcleuses 60 ary zanak’akoho 5.000 isa moa no nozarain’ny ministera tamin’ireo fikambanana navita fihofanana mandritr’izao fanakorontanana ny diaben’ny famokarana tato Menabe izao ary hitohy amin’ny faritra manerana ny nosy izao hetsika diaben’ny famokarana ataon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana izao, fa ho an’ny faritra Menabe kosa dia ny ekipany fitaleovam-paritra no hanohy ny diabe ho an’ireo distrika sy kaominina mandrafitra ny faritra Menabe, nanotrona izao diaben’ny famokarana tao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo izao moa ireo tompon’andraikim-panjakana ao Miandrivazo izay notarihan’ny lehiben’ny distrika ary ireo ben’ny tanana rehetra tao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo ary koa ny talemparitry ny serasera sy kolontsaina ato Menabe sy ny talemparitry fitanterana, ny lohonn’ny Madagasikara voafidy tato amin’ny faritanin’ny Toliara, izay misaotra sy nidera ny minisitry amin’izao fidinana ifotony izao ary ny nitondrany vahaolana tamin’ireo olan’ny tantsaha, nandritr’izany no nilazany fa tsy diso safidy ny filoham-pirenena nametraka ny minisitry ny fambolena sy fiompiana ary torak’izany koa ny talemparitry ato Menabe izay ahitam-bokatra azo tsampain-tanana tokoa eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tantsaha ka tsy mitsaha mitombo ireo vokatra ato Menabe.
✍️RA PA

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…