HANDISPORT : NAHAZO FANAMPIANA NY LIGIN’NY MENABE SY NY FEDERASIONINA

86 0

Hofiatrehana ny fiadiana ny tompon-dakan’ny Madagasikara eo amin’ny fanatanjahan-tena ho an’ireo olona manana fahasembanana izay atao eto Morondava dia nitondra fanampiana ho an’ny ligin’ny handisport sy ny federasionina ny handisport androany faha 4 Aogositra ny filankevitra kaominaly kaominina Ambonivohitry Morondava sy ny fikambanana Morondava ro teako ka vola mitentina 250.000 Ariary no natolotra ho an’ny ligin’ny handisport ary 250.000 Ariary ihany koa no natolotra ho an’ny federasionina ka nisolon-tena ny filohan’ny filankevitra kaominaly sy ny fikambanana Morondava ro teako Ramatoa Pulchérie Davidson ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra kaominaly notarihin’ny filoha lefitra sy Patrick Davidson izay sady mpikambana ao amin’ny filankevitra kaominaly no avy amin’ny fikambanana Morondava ro teako.

✍️RA PA

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋

Posted by - mai 27, 2025 0
𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎…