Kongresim-paritry ny Sonose: mitaky ny tombontsoany ireo mpanabe

537 0
πŸ”΄ Niditra tamin’ny andro faharoa ny Kongresim-paritry ny SONOSE/Mada ( SolidaritΓ© des Normaliens en Sciences de l’Education de Madagascar) Sofia androany talata 31 oktobra izay tontosaina eto Antsohihy.
πŸ”΄ Lohahevitra maro, tsy latsaky ny 06 no voafakafaka nandritra izao fankan-kevitra izao. Androany tamin’ny tapany maraina dia ny Β«Le droit syndical dans l’adminiatration publique malagasyΒ» no novelabelarina sy nohazavaina tamin’ny mpizaika.
πŸ”΄ Mpahay lalΓ na, Nicolas Rabenandrasana, Sekretera Jeneralin’ny « Syndicat National des Administrateurs CivilsΒ Β» (SYNAD) izay efa Filohan’ny Sendikan’ny Mpirakidraharaha (Greffier) eto Madagasikara nandritra ny fe-potoam-pitondrana roa nifanesy no nitondra ny fanazavana.
πŸ”΄ Io lohahevitra β€œZon’ny sendika eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy” io rahateo no fandalinana nataon’ity zanaka Sofia ity tamin’ny famitany ny fianarany teo anivon’ny ENAM.
πŸ”΄ Afapo ny mpizaika, liana tamin’ny famoaboasan-kevitra ity. Tanjona tamin’izany fampiofanana sy fizarana izany ny hahafantaran’ny mpikambana eo anivon’ny sendika (toy ny SONOSE izao) ny zony sy ny lafy tsaran’ny sendika.
πŸ”΄ Antenaina araka izany fa tsy handairan’ny teritery sy ramatahora mety hataon’ny mpanao an’izany intsony ireto mpampianatra mpanabe ireto.
_______________
Nalaina tao amin’ny : Rado, Radio Mangarahara

Related Post

π…π€ππŠπ€π‹π€π™π€ππ€ π€ππƒπ‘πŽπ`𝐍𝐘 π’π„πŠπŽπ‹π˜ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

Posted by - mars 1, 2024 0
π…π€ππŠπ€π‹π€π™π€ππ€ π€ππƒπ‘πŽπ`𝐍𝐘 π’π„πŠπŽπ‹π˜ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€- ππˆπ…π€ππ“πŽπŠπ€ π“π€πŒπˆπ`𝐍𝐘 π…πˆπŠπŽπ‰π€πŠπŽπ‰π€ππ€ π“π€ππˆπ-π“π’π„πŠπŽπ‹π˜ π€π‘π˜ π…π€πŒππˆπ€π‹π€ππ€ π•πŽπ‹π˜ πˆπ‘π„πŽ π€ππŠπˆπ™π˜ 𝗑𝗬 π—¦π—˜π—žπ—’π—Ÿπ—¬ π— π—”π— π—£π—œπ—‘π—šπ—’   Tsy nataon`ny mpitantana ny…