Mifanindran-dalana amin’ny andry voalohany napetraky ny Filohan’ny Repoblika, miompana indrindra amin’ny fitsinjovana ny maha olona ny Tetik’asa BonAPTI (Bongolava Alimentation Production Transformation Integrรฉe).
Tetik’asa tohanan’ny CEAS (Centre Ecologique Albert Schweitzer) ONG avy any SUISSE, entina hanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo ho an’ireo Reny sy ireo zaza latsaky ny 5 taona.
Kaomina4 ato anatin’ny Faritra Bongolava no misitraka ny tetik’asa hatreto: Kaomina Ambatolampy, Ambararatabe, Mahasolo ary ny Kaomina Ankadinondry Sakay, koa hanentanana ireo Tomponandraikitra eny ifotony mianga amin’ny Fokontany, mba hisian’ny vokatra mipaka amin’ny Vahoaka eny ifotony.