𝐒𝐀𝐓𝐀-ππ€π‘π˜ πŸπŸŽπŸπŸ“ | ππŽπ’π€ππ“π€π‘πˆπβ€™ππ˜ π“π€π‘πˆπŠπ€ π‘πŽπ’π’π˜ π“π„ππ˜ π€ππ“π€ππ„π“πˆππ„ πŒπ€π‡π€π™π€π™π€

60 0
Ny sata-bary fomban-drazana efa fanao hatramin’ny naha tany ny tany tety amin’ny Faritra Antanetibe Mahazaza, raha araka ny fanazavan’Andriamatoa RAKOTONOMENJANAHARY Louis Firmin, Ben’ny Tanana Kaominina Antanetibe Mahazaza. Fomba fanajana nentim-paharazana izy io, ary fanajana ny Ray aman-dreny ety an-tanana.
Ankehitriny, dia notanterahina io fomba nentim-paharazana io, ka natao ifalian’ny be sy ny maro enti-hifanomezan-kasina sy ho fanolorana voninahitra.
Androany 01 Jona 2025 no notanterahina izany SATA-BARY izany, teo amin’ny Kianjaben’ny Kaominina, ka nohafarana nanafana manokana ity lanonam-be ity ny Tarika Rossy.
FAHOMBIAZANA FENO HOAN’NY TARIKA ROSSY
Olona aman’aliny no tonga namaly niantso, ka niara-nitotorebika niaraka niaraka tamin’ny Tarika Rossy io tolak’andro io.
Natomboka tamin’ny hira malefaka nahafantarana ny Tarika ny fotoana, ary narahin’ireo hira tena mamphetsiketsika izay tea mampiavaka an’ity Tarika tsy mety tola ny taona ity.
Nalaina nisaraka ny Mpanakanto sy Mpankafy, nafana ny fiarahana, nitotorebika ny tanana, nampilavalanina ny maso mahita ny hakingan’ireto Mpandihy, sy sora-dihy, nampangoritsina ny sofina tanteraka ny mahare ny rindra-mozika tsofin’olombelna sy tendren-tanana. Ambetin-dresakin’ny maro ny hoe … hafa ihany nama Rossy a !…
Nandritran’ny lanonana no nanoloran’Andriamatoa Ben’ny Tanana ny anjara stabary ny Tarika Rossy sy nirariany soa hoan’ity Tarika ngezalahin’ny Madagasikara ity

Related Post

𝐑𝐋 ππ‘πŽπƒ/ π€π’π’πŽπ‚πˆπ€π“πˆπŽπ π’π€π•πˆπŠπ€ | 23 𝑴𝒂𝒓𝒔 2025, π‘²π’Šπ’‚π’π’‹π’‚π’’π’π’š π‘Ίπ’‚π’—π’Šπ’Œπ’‚ π‘¨π’Žπ’ƒπ’π’”π’Šπ’•π’“π’‚

Posted by - mars 24, 2025 0
𝐑𝐋 ππ‘πŽπƒ/ π€π’π’πŽπ‚πˆπ€π“πˆπŽπ π’π€π•πˆπŠπ€ – 23 𝑴𝒂𝒓𝒔 2025, π‘²π’Šπ’‚π’π’‹π’‚π’’π’π’š π‘Ίπ’‚π’—π’Šπ’Œπ’‚ π‘¨π’Žπ’ƒπ’π’”π’Šπ’•π’“π’‚ 𝑡𝑢𝑺𝑢𝑲𝑨𝑭𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑻𝑨𝑢𝑴-𝑷𝑰𝑳𝑨𝑳𝑨𝑢𝑽𝑨𝑡𝑨 𝑺𝑨𝑽𝑰𝑲𝑨 2025 𝑨𝑻𝒀 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑴𝑢𝑹𝑢𝑡’𝑰…