πƒπ’π¬π­π«π’π€πš 𝐌𝐒𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚𝐫𝐒𝐯𝐨 | 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐒𝐒𝐬𝐚 πŸ“πŸŽ 𝐦𝐒𝐚𝐧𝐚𝐝𝐚𝐑𝐲, 𝐦𝐒𝐚𝐧𝐚𝐀𝐚 𝐧𝐨 𝐧𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 π¬πšπ¦π›π¨πšππ²

22 0

Ben’ny tanana miisa 50 mianadahy, mianaka ao anatin’ny Distrika Miarinarivo Itasy no nametrahana samboady tamin’ny fomba ofisialy androany ireo. Anisan’izany ny Ben’ny Tanana ao Kaominina Ambatomirahavavy RANDRIAMAMPIONONA TolotraΒ .

Tonga nitarika ity lanonana ity ny Filohan’ny Senatora Malagasy amin’ny maha maha mpiahy ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana Β an’ity andrim-panjakana ity, dia jeneraly Richard RAVALOMANANA

« Ho tanterahina ny fanamby izay nifanomezana kanefa mila fifanomezan- tanana. » hoy i Maire Tolotra raha nanenho hevitra izy.

Fa nanasongadina maha asa saro-pady ny asa sahanin’ny Ben’ny tanana kosa ny Filohan’ny Antenimeran-doholona raha nandray fitenenana, ary nasongadiny hatrany fa kitro ifaharan’ny fampandroana ifotony izany asa maha Ben’ny tanana izany, ka mila olona tena mahafantatra ny maika sy ilain’ny Kaominina tantanany.

Tsy hadinony ny nitso-drano azy 50 mianadahy mianaka hahaleo hahalasana amin’izao andraikitra makadiry hapetraky ny firenena amin’izy ireo izany.

Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

Posted by - dΓ©cembre 6, 2023 0
LALANA FASANY KARANA —– Asiam-panamboarana ny lalana miainga eo Ankadimbahoaka, miazo an’iny lalana mankany amin’ny Fasankarana iny.   Somary misy…