Nodimandry androany alatsinainy 21 aprily maraina i Papa Fransoa, teo amin`ny faha 88 taona, araka ny fanambarana avy ao Vatican.
Tsiahivina fa nanomboka 14 febroary izy no tafiditra hopitaly.
Nanomboka 31 mars 2013 kosa no naha pape azy.
Miara-miombona alahelo amin`ny fianakaviam-ben`ny fiangonana Katolika ny Gazety Feon`ny Demokrasia
Ny Fanoratana eto anivon’ny FDM