๐‰๐ˆ๐Ž๐‹๐€๐‡๐˜ ๐Œ๐๐€๐Œ๐„๐‘๐ˆ๐-๐Š๐„๐‹๐Ž๐Š๐€ | ๐๐ˆ๐ƒ๐Ž๐๐Ž๐Š๐€ ๐€๐Œ๐๐Ž๐๐‰๐€ ๐•๐Ž๐๐‰๐ˆ๐Œ๐€๐ˆ๐Š๐€ ๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€๐˜ ๐ˆ ๐…๐ˆ๐ƒ๐„๐‹๐ˆ๐’

64 0
Tsy misy tsy mikaikaika amin’ny hafitsok’ity Jiolahy raindahiny amin’ny vaki-trano, halabotsy, sito-mahery, antsoina hoe FIDELIS ity ny Mponina ao amin’ny Fokontany Tsiadanana, Boriboritany Faharoa, Antananarivo Renivohitra ao.
Farany teo, dia tranona Mpanao Gazety no novakiany rehetra tratrany tamin’ny entona mampatory ny tao an-trano, ka lasany avokoa ny entana maromaro, toy ny Television, Ecran Ordinateur, Finday maromaro, ary miampy ny fitaovana fampiasa amin’ny asa fanaovan-gazety toy fakan-tsary lafovidy, camera, dictaphone, sns. Ny alin’ny faha 13 Febroary hifoha 14 Febroary 2024 ity tranga ity no niseho…
Ankoatr’izay, dia Finday avolenta ana mpianatra no nalainy, mitovy tsy misy valaka amin’ilay nahazo an’ilay Mpanao Gazety ihany koa, nampatoriany tamin’ny entona mappatory, dia nalainy teo andoha-fandriana ny telephone, sy ny vola.
Ankoatr’ireo, dia efa maro no very vilany fandrahoana, fitaon-akozia, ary vata fahila lavitra eny amin’iny fokontany voatonana etsy aloha iny.
Raha araka ny filazan’ny mponina dia efa in-telo niditra amponja ity Mpangalatra Gaigilahy ity, fa tafavoaka hatrany, nanamarina an’izany tokoa ny filohan’ny Fokontany rehefa nanontanian’ny Mpanao Gazetinay.
Nisy ny fikarohana natao teo anivon’ny Polisim-pirenena Malagasy, eto amin’ny Boriborin-tany faharoa, izay niara-niasa tamin’ny FIP.
Vokatry ny fahaiza-manao hanan’ireto Mpitandro filaminana ireto, dia tra-tehaka ny anao lahy ny faha 24 Feborary lasa teo.
Anio no natolotra ny fitsarana ny tenany, ka izao nidoboka amponja vonjimaika izao
Tiana ny manamarika, fa nisy ny fitoriana faobe nataon’ny Mponin’ny Fokontany Tsiadana iray manontolo manamarina sy manameloka ny sy asa ratsy hataon’ity Jiolahy ity, ka nampanarahina ny fitoriana nataon’ireo olona voalaza etsy ambony ireo.
Fantatra fa amin’ny faha 6 Martsa 2025 no hivoaka ny didy.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

Posted by - novembre 14, 2024 0
Tonga androany 14 novambra, sidina in-droa miantoana ireo antontan-taratasy saropady hampiasaina amin’ny fifidianana Ben’ny tanร na sy Mpanolotsaina ho tontosaina ny…

Posted by - dรฉcembre 6, 2023 0
LALANA FASANY KARANA —– Asiam-panamboarana ny lalana miainga eo Ankadimbahoaka, miazo an’iny lalana mankany amin’ny Fasankarana iny.   Somary misy…