NOELIN’NY AKANIN’NY ZANDARIMARIA

48 0
Tsy mangasiasy fa faly sy ravo ireo ankizy zanaky ny Mahery Fon’ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny Akanin’ny Zandarimaria Arivonimamo, androany, nankalaza ny noely. Tsy diso anjara amin’izany fankalazana izany izy 61 mianadahy taizana sy beazina ao amin’ny akany.
Tsy navelan’ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Zandarimaria, tarihan’Atoa jeneraly Andry RAKOTONDRAZAKA, Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria sy ramatoa vadiny, Atoa jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert, komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ramatoa vadiny, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy, hangahiahy ireto ankizy amin’izao noely izao.
Kilalao, seho miavaka samihafa no nentina nanamarihana ny noelin’ny akany tamin’ity taona 2024 ity. Tonga nifanotrona tamin’ireto zanaky ny mahery fon’ny Zandarimaria ireto, nandritra ny fankalazana androany, ny solotenan’ireo ankizy taizana ao amin’ny akanin’ny Tafika malagasy sy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.
Ny Zandarimariam-pirenena moa dia mametraka ho ambony ary ho lohalaharana foana ireto ankizy ireto.

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…