Reniranon’ny LAGNIRANO | harem-bakoka lehibe eto Fort Dauphin

236 0
Anisan’ny harem-bakoka lehibe eto Fort Dauphin,ato anatin’ny Faritra Anôsy ity ity.
Teto no niandohan’ny Foko Tetanifotsy sy Telôpimamy izay mipetraka ao amin’ny fokontany BETALIGNY kaominina Ampasy nahampoana , Distrikan’ny FARADOFAY.
Araka ny tantara dia nohon’ny tsy fanomezan-drano ilay olon-dehibe iray avy any avaratra nandalo raha iny izy nangataka Rano iny no tsy nahazo ka nahatonga azy niteny hoe lanin’ny Rano ity toerana ity dia izay no nahatonga azy ho renirano ka maty tao avokoa ny akamaroan’ny mponina tao.
Amin’izao anefa dia lasa toerana fangatahana tso-drano io toerana io,ary fanaovana fomba amam-panao maro samihafa ary tsy maintsy ireo taranaky ny mponina tao ihany no manao izany.
Nidina sy nanadihady ary hampahanfantatra an’ireo taranaka aty afara no tanjonay ato amin’ny DRCC ANÔSY ka nihaona sy nandalina an’ireo tantara tena nisy izahay.
Eto ihany koa ny isintomana ny Rano fisotron’ny vahoaka eto FARADOFAY ka mila arovana ity toerana ity.
Nahazo tso-drano tamin’ireo Ray Amandreny ara-drazana nyTalem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy Andriamatoa JOE KAMAMY sy ireo mpiara-miasa aminy amin’ny maha zanatany anazy.Kolontsaina no vatofototry ny fampandrosoana.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝑭𝙀𝑺𝙏𝑰𝙑𝑨𝙇 𝘽𝑶𝙏𝑹𝙔 𝘽𝑬𝙇𝑶 𝑺𝙐𝑹 𝑴𝙀𝑹, 𝙉𝑰𝙎𝑨𝙊𝑻𝙍𝑨 𝑵𝙔 𝙈𝑷𝙄𝑲𝘼𝑹𝘼𝑲𝘼𝑹𝘼 𝙉𝒀 𝑻𝘼𝑳𝙀𝑴-𝑷𝘼𝑹𝙄𝑻𝙍𝒀 𝑵𝙔 𝙁𝑰𝙕𝑨𝙃𝑨𝙉-𝙏𝑨𝙉𝒀 𝑺𝙔 𝘼𝑺𝘼 𝙏𝑨𝙉𝑨𝙉𝑨 𝑴𝙀𝑵𝘼𝑩𝙀

Posted by - novembre 2, 2024 0
𝑽𝒆𝒍𝒐𝒎-𝒑𝒊𝒔𝒂𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑽𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏𝒂 𝑲𝑰𝑴𝑶𝑵𝒀 𝑹𝑬𝑺𝑶𝑹𝑻 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒍𝒆𝒎𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒕𝒐 𝑴𝒆𝒏𝒂𝒃𝒆 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑹𝒂𝒌𝒐𝒕𝒐𝒛𝒂𝒇𝒊𝒎𝒂𝒏𝒂𝒕𝒔𝒐𝒂 𝑻𝒐𝒗𝒐𝒉𝒆𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒏𝒚 𝑵𝒐𝒎𝒆𝒏𝒋𝒂𝒏𝒂𝒉𝒂𝒓𝒚  𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂…