饾悈饾悎饾悡饾悞饾悗饾悈饾悁饾悕-饾悆饾悜饾悁饾悕饾悗 饾悕饾悩 饾悐饾悁饾悕饾悆饾悎饾悆饾悁 饾悑饾悁饾悋饾悁饾悜饾悁饾悕饾悁 饾悈饾悁饾悋饾悁 饾煈 饾悐饾悁饾悗饾悓饾悎饾悕饾悎饾悕饾悁 饾悁饾悕饾悐饾悁饾悪饾悗饾悁饾悓饾悂饾悗

131 0

Vonona ny Candidat RAMIHARIOLIVA Johniah na Ramose JAONA, Chef ZAP tao amin’ny Kaominina Ankazoambo, Candidat ho fidinana ho ben’ny ao amin’ny Kaominina Ankazoambo, natolotry ny IRMAR laharana faha 3 ao amin’ny bileta tokana fa hitondra fiovana ho an’ny Kaominina Ankazoambo izay tena faralahy amin’ny fampandrosoana ato amin’ny Distrika Ambositra.

Maro ireo vina ho entina hanarenana ity Kaominina ity hoy izy isan’izany ny:
馃憠Lafiny fanabeazana
馃憠 Lafiny Fandriam-pahalemana
馃憠Lafiny Famokarana sy fiompiana
馃憠Lafiny maha olona sy fiaraha-monina.

Tsy hikosomaso ny tenany hanao izay azo atao rehetra hanarenarena ny Kaominina miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka maro izay efa vonona hanampy amin’izao fotoana izao indrindra ny fitondram-panjakana sy ireo ratsamangaikany rehetra aty amin’ny Faritra izay tarihin’reo olom-boafidy sy olom-boatendry samihafa.
Notsofin’ireo Ray Aman-dReny tompon’ananaran-dray rano izay toerana nipoirany moa ny kandida laharana faha 3 Ramose JAONA satria faly izy ireo fa sambany no misy kandida avy any amin’ny Fokontany AMPANASAMAINA hatramin’ny nisian’ny Kaominina Ankazoambo ary vonona izy ireo hanohana hatramin’ny farany ity kandida tokana izay azy ireo ity.

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

M A D I R O V A L O
DISTRICT AMBATO-BOENY

Posted by - ao没t 8, 2025 0
Nigadona anio maraina eto am Kaominina madirovalo ny delegasionina mafonja notarihiny Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin ahitana any Andriamatoa Governoran’ny Faritra…