π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€ππ€ π€π•πŽπ“π‘π€ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€ | π€πƒπ˜ ππ€πŽπ‹πˆππ€ πŠπˆπ“π‘π€ | ππˆπ•πŽπ€πŠπ€ πŒππ€ππƒπ‘π„π’π˜ 𝐍𝐘 𝐅𝐂 π“π€πŒππ€π“π‘π€ – π€π‹π€πŒπ€π‡πˆπ“π’π˜ ππ€ππŽπ‹πŽπ€ππ€ 𝐍𝐘 𝐅𝐂 π“πŽππ†πŽπ‹πŽ – π€πŒππŽπ‹πŽ

45 0
Omaly Alahady faha 20 Oktobra 2024 folak’andro no nifarana ny Ady Baolina Kitra, izay nokarakarain’ny Fikambanana ASN, na ny Fikambanana AVOTRA SABOTSY NAMEHANA, sy ny MPIKITRA Sabotsy Namehana Araka ny fanazavanan’Andriamatoa Delphin RALAIMANANA Filohan’ny Fikambanana dia nambarany fa efa fanao isan-taona ity lalao fifaninana ity ary natao indrindra hampitombo ny lentan’ny Baolina Kitra eto amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano.
Nilaza Andriamatoa Jerome RAKOTOMALALA, fa ity lalao fifaninana ity dia efa naharitra 8 volana tany ho any izay no nanombohany ary Club Football miisa 800 teo ho eo no nandray anjara tamin’izany, ka ny FC Tambatra Anamalahitsy sy ny FC Tongolo Ambolo no tonga aty am-pamaranana.
Araka ny nambarany ihany, dia ny Fikambanana AVOTRA SABOTSY NAMEHANA no miantoka feno ny fanomezana ny Amboara rehetra, ka omby mifahy no hoan’ny Mpandresy, miampy medaly, fanamiana feno enti-miatrika lalao baolina kitra kosa hoan’ireo sisa ambiny. Nambarany ihany koa fa hisokatra tsy hoela ihany koa ny Fifaninana Baolina kitram-pokontany, ary handraisan’ireo Fokontany 17 manerana ny Kaominina Sabotsy Namehana. Natao indrindra izany ho fialambolin’ny tanora andaniny fa entina hitiliana ireo sangany amin’ity lalao ity kosa ankilany, izay hofantenina ho Mpilalao Baolina kitra eto amin’ny Kaominina.
Andriamatoa JerΓ΄me RAKOTOMALALA, dia anisan’ireo hifaninana ho Ben’ny Tanana hitantana ny Kaominina Sabotsy Namehana, ary fantatra fa laharana faha6 no misy azy ao anaty Bileta Tokana.
Fa tamin’ity fotoana ity no namalain’Andriamatoa Solombavambahoakan’ny Madagasikara, izay voafidy teto Avaradrano, ny DeputΓ© AVOTRA ny fanontaniana manitikitika ny rehetra, indrindra hakatok’izao fifidianana izao, dia ny hoe Β« Iza no Kandida hametrahany ny fitokisany, ka hamindrany ny fahaiza, manao hananany nandrit’izay amam-polon-taona nitantanany ny Kaominina izany Β»,
Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenana nataony nandritra ny fanokafana ny lalao Γ ry fa ny ASN izay tarihin’Andriamatoa JerΓ΄me RAKOTOMALALA no niantefan’ny safidiny. I JerΓ΄me hoy izy nanohy ny teniny no efa manana traikefa feno amin’ny fitantanana, ary manana ny fahalalana amin’ny fampandrosoana, koa tsy diso safidy velively aho manolotra azy ho Ben’ny TanΓ na. Ary vonona aho hanampy, hanohana ary hifanome tanana aminy, indrindra ho fampandrosoana ity Sabotsy Namehana mamintsika ity.
Fa raha iverenana kely ny voka-dalalao , dia nivoaka mpandresy tamin’ny isa mavesatra ny FC Tambatra raha nanoloana ny FC Tongolo, isa 3 be izao no hoan’ny FC Tambatra, ary isa 1 kosa hoan’ny FC Tongolo.
Adin’ombalahin’ny mpianakavy iny, ny resy tsy hakoraina, ny mahery tsy hobiana
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

π”½π•€π•‹π•Šπ”Έβ„π”Έβ„•π”Έ, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 πšπ§πšπ­π’π§β€™π§π² 𝐞𝐳𝐚𝐀𝐚 𝐒𝐳𝐚𝐲 π’π¦πšπ¬π¨πšπ§β€™π§π² πŒπ’π§π’π¬π­πžπ«πšπ§β€™π§π² π…π’π­π¬πšπ«πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐒-𝐩𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐀𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐒𝐧𝐝𝐫𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐒𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…