ANTOKO NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA NIVOAKA TAMINN’NY FAHANGINANY

260 0

Nanomboka tamin’ny herinandro teo dia tazana tao amin’ny tambazotra sosialy facebook ny pejy mitondra ny anaran’ny antoko Ny Safidin’I Madagasikara ; «Handeha hanarina ny firenena ho fanohizana ny tolona » io no fanehoan-kevitra voalohany nataon’ity antoko ity tao amin’ny pejiny.
Raha tsiahivina, nijoro tamin’ny taona 1996, ary ny Praiminisitra teo aloha ny Jeneraly Désiré RAKOTOARIJAONA no filoha mpanorina ity antoko ity. Foto-kevitra isan’ny nijoroany ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana ara-toekarena, tamin’ny alalan’ny fanampiana tosika ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ho fampiroboroboana ny famoronana asa ho an’ny Malagasy sy ho amin’ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano.
Isan’ny nanamarika ny raharaham-pirenena tany amin’ny Repoblika faharoa ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA ; tao anatin’ny taona maro no nangina sy tsy tazana mivantana tamin’ny sehatry ny raharaham-pirenena ity antoko politika ity ka izao manomboka miseho izao indray ankehitriny
Tsy mbola nampahafantatra izay mety ho ankolafy politika hisy azy kosa ny antoko Ny Safidin’i Madagasikara amin’izao fahitana ny fiverenenany amin’ny raharaham-pirenena izao. Marihina anefa fa tsy manana kandida nirotsaka amin’ny fifidianana ben’ny tanana ho avy io ny antoko.
Nangonon’i RA PA

Related Post

𝗙𝗜𝗙𝗜𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟴 : 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗛𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗠𝗘𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗜𝗔𝗧𝗢𝗦𝗜𝗞𝗔 𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤

Posted by - août 8, 2025 0
👉𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣𝙖̀𝙣𝙖 𝙄𝙢𝙚𝙧𝙞𝙣𝙩𝙨𝙞𝙖𝙩𝙤𝙨𝙞𝙠𝙖, 𝙣𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙥𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖 𝙫𝙤𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙞𝙗𝙚𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙎𝙤𝙡𝙖𝙣𝙜𝙖 𝙛𝙖…