MORONDAVA NAMPAFANTARIANA NY LALANA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA IREO MPITONDRA POSY

542 0

Manoloana ireo zava-misy sy fitarainana maro mikasika ireo mpitondra posy dia handray andraikitra sy hampiatra fepetra ny eo anivon’ny zandarmeria ato Morondava fa aloahan’izay dia beazina ireo mpitondra posy ary omena torimarika ny tompon’ny posy ka nototosaina omaly alahady tao amin’ny tokotany malalaky ny zandarmiaria Morondava izany izay notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobipileovana Menabe colonel Onimihary Ralaiavy Fanevason niarahany tamin’ny kaomadin’ny brigade ny zandarmeria Morondava sy ny eo anivon’ny fitsirihana fiarakodia niaraka ny avy eo amin’ny kaominina ka nampianarina ireo mpitondra posy ny resaka fahadiovana sy ny fahalalam-pomba rehefa mitondra posy ary eo koa ny fampafantarana azy ireo ny lalana mifehy ny fifamoivoizana eto amintsika ary fampafantarana azy ireo ny takelaby fampafantarana eny an-dalana ary ny fikojakojana ny posy .

Izany no natao dia mba hisoroahana ny loza mety hitranga ao aorian’izao moa dia hiroso amin’ny fampihofanana azy ireo ho an »izay mbola tsy navita ny eo amin’ny zandarmiaria sy ny kaominina ka tsy maintsy manao bagde avokoa ny mpitondra posy rehetra ka rehefa vita ny fampihofanana dia hiroso amin’ny fanarahamaso sy fizavana ary fandraisana andraikitra ho an’ireo posy sy mpitondra posy tsy manara-dalana ny eo anivon’ny zandarmiaria

Nangonin’i RA PA

Related Post

𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔
𝗧𝗼𝗻𝗴𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘂𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝘂𝗿-𝗻’𝗻𝘆 𝗟𝗶𝗼𝗻𝘀 𝗖𝗹𝘂𝗯 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗰𝘁 𝟰𝟭𝟳, 𝗳𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟴𝟴 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗻𝗮𝗵𝗮-𝘃𝗼𝗮𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗮𝘇𝘆

Posted by - février 15, 2026 0
Morondava, 15 Febroary 2026 Tonga eto Morondava tamin’ny 12 ora atoandro teo ny Governoran’ny 𝐋𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐂𝐥𝐮𝐛𝐬 𝐈𝐧𝐭𝐞𝐫𝐧𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐜𝐭 𝟒𝟏𝟕, 𝐋𝐢𝐨𝐧…