Raha ny fadaharm-potoana navoakanโny ministeranโny fanabeazam-pirenena dia ny alatsinainy faha sivy ny volana septembre teo no tokony hanomboka ny taom-pianarana 2024-2025 dia tsy voahaja izany satria izao vao manomboka manoratra ny anaranโny zanany ireo ray aman-dreny ka tara zany ny fiatombohanโny taom-pianarana aminโity ny antony moa araka ny fanadihadiana izay natao dia nohonโny fahasahirananโny ray aman-dreny satria na dia nilaza aza ny minisitry ny fanabeazam-pirenena fa tsy andoavam-bola ny fampidirana mpianatra eny aminโny sekolim-panjakana dia tsy izay ny zava-misy raha ny eto Morondava fa 10.500 Ariary hatraminโny 35.000 Ariary isan-jaza ny vola aloha aminโny fampidirana mpianatra manomboka aminโny EPP sy CEG ary Lycรฉe eto Morondava .
Antony tsy mahatan-teraka ilay 00 Ariary moa raha ny fanadihadiana natao no nahalalana fa folo isan-jatony fampiodinana ny sekoly ihany no vitanโny tohana avy aminโny fanjakana ary mbola tara koa ary ny fatongavanโio satria efa any aminโny volana Mars any farany malaky vao tonga ka tsy maintsy mandoha vola ny ray aman-dreny mba hampiodinana ny sekoly ankoatranโny karamanโny mpampianatra FRAM sy ny mpiandry ny sekoly ary ny Jirama satria tsy misy loharanom-bola hafa ny akamaroanโny sekolim-panjakana na dia eo ary ny FEFFI izay natsangana eny aminโny sekolim-panjakana rehetra ary nasiana fanavaozana moa taminโity raompianarana ity saingy tsy ampy ny fampihofanana ireo mpitarika ny FEFFI ka tsy mahalala ny andraikiny ny rehetra ka variana mitantana ny vola kely izay misy eo fa tsy misy mba mitady loharanom-bola hafa mba hanampiana ny sekoly .
Angatahanโireo talen-tsekoly ny mba hampiakarana ny tohana avy aminโny fanjakana na ilay antsoina hoe caisse รฉcole ary alefa alohanโny fidirana aminโny taom-pianarana mba afahanโny sekoly miodina ara-dalana sy hanamaivana ny fahasahirananโny ray aman-dreny .
Na dia izany aza anefa dia hita fa mazoto ny ray aman-dreny nampiditra ny zanany an-tsekoly nohonโny tenin-dramatoa minisitra hoe 00 Ariary ny fampidirana mpianatra ka sahirana ireo talen-tsekoly sy tomponโandraikitra eny ifotony satria ny voafetra ihany ny mpianatra azo raisina nohonโny foto-drafitrasa sy tsy fahampianโny mpampianatra ka voatery manao ezaka fanamboarana efitrano Sekoly sy fanokafana sekoly vaovao ny tomponโandraikitra ka isanโizany ny fanokafana ny Lycรฉe Pole annexe ao Belo sur Mer .
Manoloana izany rehetra izany moa dia nanam-pakevitra ny Chef Cisco fa hamory ireo talen-tsekoly sy mpitarika FEFFI rehetra eto Morondava ny asabotsy izao mba hijerena vaha olana aminโity resaka fandraisana anjaranโny ray aman-dreny ity .
Etsy ankilany moa dia mitaraina ireo ray aman-dreny fa ny fiainana sarotra nefa tsy maintsy mandoha vola ny fampianarana anefa tsizarizary ny fahasahiranana anefa hoy ireo tojo anay dia tsy afaka hampianatra ny zaza any aminโny sekoly tsy miankina izahay hoy hatrany ireo ray aman-dreny .
Fampatsiahivana fotsiny fa ny lalampanorenana Malagasy ao aminโny zana-dohateny 2 ny aminโny zo sy adidy momba ny toekarena sy sosialy ary koltoraly ao aminโny andininy faha 24 dia milaza mazava fa ยซ Mandamina fanabeazam-bahoaka maimaimpoana sy takatry ny rehetra hidirana ny fanjakana. Ny fampianarana ambaratonga voalohany dia tsy maintsy ataonโny rehetra ยป
Nangoninโi Ra-Pa Menabe